Omaly faha-30 oktobra no tonga nanolotra ireo amboara azony tamin’ny tompon-dakan’ny fifaninana ASOIMI 2015, ireo mpanao fanatanjahantena eo anivon’ny polisim-pirenena. Notontosaina tany Manakara ny faha- 24 septambra, ka hatramin’ny faha-5 oktobra io fifaninanana io. Taranja roa no nampisongadina ny polisy : tsipy kanety be sy lalao kitra. Nahazo voalohany ry zareo tamin’ny triplette, faharoa tamin’ny doublette ary faharoa tamin’ny tête à tête. Tamin’ny lalao baolina kitra indray dia tompon-daka lefitra ireo tanora nosoloin’ny COSPN Fianarantsoa.
Articles qui pourraient vous intéresser