- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversPolisim-pirenena : Efa vonona tanteraka ny fanadinana handraisana polisy vaovao

Polisim-pirenena : Efa vonona tanteraka ny fanadinana handraisana polisy vaovao

Efa mipetrapetraka avokoa ireo fepetra rehetra amin’ny hanatanterahana ny fifaninana handraisana mpianatra vaovao any amin’ireo sekoly fanofanana polisy izay hatao ny sabotsy 27 sy ny alahady 28 febroary 2021 izao. Noho izany dia mampahatsiahy ireo izay nametraka antontan-taratasy handray anjara amin’izany ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena. Ho an’ireo mpifaninana ho mpianatra « commissaires » sy « officiers de police » dia any amin’ireo renivohi-paritany teo aloha no hanaovana izany. Ho an’ny mpifaninana ho mpianatra « inspecteurs » sy « agents de police » kosa, isaky ny foibem-paritra ny filaminam-bahoaka no misy ny foibem-panadinana. Mialoha izany anefa dia iangaviana ireo mpiadina  mba hanatona ny sampandraharaha misahana ny fanoratana anarana « Service central du Recrutement » Anosy Antananarivo, na ny Foibem-paritry ny Filaminam-bahoaka « Direction Régionale de la Police Nationale » isam-paritra akaiky azy ny tsirairay avy, manomboka ny sabotsy 13 febroary 2021, mba hijery ny peta-drindrina ahitana ny lisitry ny kandida nahafeno ny fepetra ara-dalàna tamin’ny filatsahana ho mpiadina ka afaka miatrika ny fanadinana. Raha misy fanampim-panazavana tiana ho fantatra dia manatona ny Foibem-paritry ny Filaminam-bahoaka. Ny toerana hanatanterahana ny fanadinana sy ny taratasy fiantsona dia azo anontaniana any amin’ireo Foibem-panadinana hiadinan’ny mpiadina manomboka ny 23 febroary 2021.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici