Nanome fanazavana ny avy ao amin’ny polisim-pirenena mahakasika ny polisy mpandrindra fifamoivoizana sy mpanara-maso ny tsy fanarahan-dalàna. Manodidina ny 500 no haparitaka ary ho betsaka ny eto amin’ny faritr’Analamanga. Nialoha izany anefa dia nisy fampiofanana sy fampitaovana azy ireo. Isan’izany ny marika famantarana manokana dia ny « gilet » izany. Io koa dia misy karazany sy loko mampiavaka, misy ho an’ny mpandrindra ny fifamoivoizana fotsiny ary misy ho an’ny mpiditra an-tsehatra misava taratasy sy manome sazy. Efa nisy fotoana najanona ela ny polisin-dàlana ary naverina indray. Teo indray dia nesorina izy ireo ary nohatevenina ny fahaiza-manao izay vao haverina indray manomboka ny alatsinainy hoavy izao. Norasina avokoa izany ireny fitarainana samihafa ireny, izay nitarika fitokonan’ny mpampiasa làlana nisy fotoana, ary nentina tao anatin’ny vontoatin’ny fampiofanana. Etsy ankilan’izay dia mahatsapa ny mpampiasa làlana maro fa efa tokony hiroso amin’ny teknolojia kokoa ny fandrindràna ny fifamoivoizana sy ny fanomezana sazy. Isan’izany ny fametrahana jiro lokotelo (feux tricolore) izay mahasolo olona. Ary tena mahasolo satria be loatra ny polisin-dàlana izay tokony mba hampisaina amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana kanefa noho ny tsy fisian’ny fitaovana dia lasa mandrindra fifamoivoizana ary tsy afaka ny miditra loatra amin’ny andraikitra voalohany dia ny fikajiana ny filaminam-bahoaka izany.
D.R





