- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversPôlisin’ny SAG : Nalefa eny Tsiafahy, nandrahona ny namany

Pôlisin’ny SAG : Nalefa eny Tsiafahy, nandrahona ny namany

Ny harivan’ny zoma no vita ny fanolorana ny fampanoavana ilay pôlisy mpiana-draharaha eo anivon’ny Service Anti-Gang. Nanapa-kevitra ny mpitsara ny nampiditra am-ponja vonjimaika azy eny  Tsiafahy. Voatery nandray fepetra hentitra ny zandary nandritra io fotoana io, satria nisy pôlisy maromaro izay manao fanamiana pôlisy sy sivily  tonga teny an-toerana ary nampiahiahy ny fihetsik’izy ireo. Faran’izay haingana ny fanalàna ilay voarohirohy teny an-toerana mba hialàna amin’izay mety ho valifaty. Nitaraina ihany koa ilay ramatoa izay mpitory, satria nohodidinin’ireo milaza ho pôlisy  nandrahona azy. Nisy tamin’ireo mihitsy aza no naka sary, raha araka ny fitarain’ilay ramatoa izay niaro ny tenany ary nampitandrina ireo mpitandro ny filaminana fa tsy zon’izy ireo velively ny maka ny sariny. Raha hiverenana kely, dia nijanona tao amin’ny tranon’io pôlisy io ny alika mpitsongo dia ary nanomboka teo ny fanahiana azy ho niray petsapetsa tamin’ny mpanao fanafihana izay niseho teo an-toerana ihany. Rehefa nosavaina tokoa ny trano, dia feno fitaovam-piadiana sy fanamiana zandary. Nisy hatramin’ny satroka fanaovan’io vondron’ny mpitandro ny filaminana io. Nosamborina avy hatrany izy sy ny rainy ary natao fanadihadiana. Niteraka resa-be teto an-drenivohitra ny zava-nitranga, satria isan’ny tandroka miaro ny vozona ny SAG amin’ny ady atao amin’ny asan-jiolahy hany ka noraisin’ny olona ho tena famadihana tanteraka ny tanindrazana ity nataon’ity pôlisy iray ity. Mbola misy olon-kafa karohina momba ity raharaha ity satria nahatratra valo no tompon’antoka. Olona mpivezivezy ao an-trano matetika, mpanasa lamba raha araka ny fanampim-panazavana azo, no nanome ny paozin’ny trano sy ny misy ny toeran’ny entana sy vola. Ny ambiny avy eo nanafika miaraka tamin’ny basy sy sabatra. Nasaina natory tamin’ny tany ny tompon-trano ary nisy iray tsy nahatàna vava tamin’ireo olon-dratsy ary nilaza fa olona eo amin’ny tanàna ihany no tena atidoha nikotrika. Io no niaingan’ny hevitra ny haka alika mpitsongo dia ary tena nanampy tokoa izany tamin’ny fanadihadiana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici