
Manoloana ny firongatr’ireo mpifoka sy mpivarotra rongony ary mpibizina toaka gasy, dia miezaka mitady vahaolana hatany amin’ny fanangonana loharanom-baovao ny pôlisy, indrindra fa eny amin’ireo lalam-pirenena. Ny faran’ny volana janoary teo, olona telo no voasambotra teo amin’ny sakana nataon’ny Polisy teo Andrimbavontsona Port-Berge. Rongony sy toaka gasy no sarona tamin’izay fotoana izay, raha ny loharanom-baovao azo. « Ny 31 janoary tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany no nahatratrana ity taxi-brousse iray nitondra rongony milanja 21 kilao sy toaka gasy miisa 06 bidons ary ravim-paraky milanja 60 kilao. Loharanom-baovao marim-pototra no efa azon’ny polisy mahakasika ny fisian’izany ary efa natao daholo ny vela-pandrika rehetra ka nahafahana nisambotra izany ary izao nahitam-bokany izao », araka ny fampitam-baovao azo hatrany. Olona telo no tao anatin’ity fiara sarona ity, ny tompon’ireo entana, lehilahy 31 taona. Voafango niaraka taminy ihany koa ny mpamily an’ilay taxi-brousse sy ny mpanampy ny mpamily. Raisina ho toy ny mpiray tsikombakomba tamin’ity mpanamparitaka zava-mahadomelina ity mantsy izy ireo. Ilay fiara kosa dia nogiazana, niaraka tamin’ireto entana tsy ara-dalàna ireto. Nentina nihazo ny birao avy hatrany moa izy ireo ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana, alohan’ny hanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana.
Nangonin’i m.L