- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversPort-Berger : Ramatoa lehibe maty voaolana

Port-Berger : Ramatoa lehibe maty voaolana

Habibiana indray no nitranga tany Ankazobe, ao amin’ny kaomina Tsaratanàna any amin’ny distrikan’i Port-Berger, ny voalohandohan’ny herinandro lasa teo. Ramatoa lehibe iray no hita faty teny an-tanimboly, niboridana tanteraka. Ny fizahana nataon’ireo mpitsabo no nahafantarana fa nisy nanolana ity ramatoa ity. Niafara hatramin’ny famoizany ny ainy mihitsy izay zavatra nihatra taminy izay, raha ny fampitam-baovao. Hatreto dia mbola tsy fantatra izay olona mety ho nahavita izao habibiana izao. Fantatra kosa fa efa eny am-pelan-tanan’ny mpitandro filaminana any an-toerana ny raharaha, hikarohana izay nahavita izao habibiana izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici