Nahitana ady hevitra mikasika ilay tany anamboarana ilay “Port Sec” ao Toamasina II tao amin’ny Pact, izay efitrano fivoriana sy fampianarana ho an’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny sabotsy maraina teo. Nandinihana mikasika ilay raharaha fananganana ny “Port Sec” ao amin’ny tanin’ny Spat lasan’ny olona nibodo ny tany ao Tsararivotra.
Tonga niatrika ny ady hevira ireo olona an-jatony mpibodo tany sy ireo avy amin’ny ministeran’ny fitaterana, nahitana ny talen’ny kabinetra sy ny mpanolotsaina ara-teknika manokan’ny filohan’ny fanavaozana, ary nitarika izany ny tale jeneralin’ny Spat sy ny lehiben’ny fileovana Atsinanana ary ny lehiben’ny faritra Atsinanana. Fantatra nadritra ity ady hevitra ity fa hananganana fiantsonan’ny fiara vaventy ity toerana ity, ka hahatratra 500 toerana no hitsangana eo hatramin’ny taona 2041. Fantatra mantsy fa fiara vaventy 600 no mivoaka sy miditra ny seranana ankehitriny isan’andro, ka tena ilaina io toerana 16 ha hananganana toeram-piantsonana ity miaraka amin’ny toeram-pisakafoanana sy trano fandraisam-bahiny ary trano fivoahana.
Misy tokantrano miisa 270 anefa monina ao amin’ilay tanin’ny serananan-tsambo ao Tsarakofafa ity, izay eritreretina hafindra amin’ny toerana hafa ka omena tany 250m2 eo akaiky eo ihany, nefa tsy mety miala. Izy ireo no anton’izao fihaonana izao mba hiala’izy ireo moramora ao anatin’ny lalana, satria ny didim-pitsarana efa nanome alalana ny orinasa Spat efa niady izany tao anatin’ny 16 taona, handray ny taniny amin’ny tetikasam-pirenena. Ny vola 500 tapitrisa dolara avy amin’ny banky iraisam-pirenena koa efa vonona hanamboarana izany toeram-piantsonana izany, izay vinaniana hanomboka ny volana jona 2026 ary hifarana ny desambra ho avy izao.
Araka ny tapaka nandritra izao ady hevitra naharitra adinny telo tao amin’ny Pact izao, ny fananganana ilay “task force” ahitana ny solontenan’ireo tsy maintsy hiala ao amin’ny tany “Port Sec III” izay hafindra ao amin’ny tany “Port Sec II” eo akaiky eo ihany. Natao izany mba hangarahara ilay fanesorana sy famindrana ireo vahoaka 270 ireo. Hisy koa ny fanadihadiana atao isan-tokantrano amantarana ny fandaniana lanin’ireo vahoaka ireo tamin’ny fanamboarana trano sy ireo zavatra novoleny samihafa. Misy ireo vahoaka tsy faly tao Tsararivotra tsy tonga nandritra ny ady hevitra nafampana ny zoma teo, nandritra ny fidinana ifotony natao teny an-toerana ka izy ireo ireto nitarika ny fidinana an-dalam-be ireto. Ireto olona tsy faly ireto indray no nitarika sakoroka sy nanimba raha maro teny, ary nandoro kodiarana ny sabotsy io. Efa nandamina azy ireo teny an-toerana ireo mpitandro filaminana mitambatra, nahitana ny polism-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena.
Manainga ny rehetra hilamina ny tale ny kabinetran’ny ministeran’ny fitaterana sy ny mpanolotsaina ara-teknika manokan’ny PRRM, Atoa Patrick Raharimanana, hanaraka ny lalana sy ny hevitra tapaka, satria asa tsy maintsy handeha ny fanamboarana ilay toeram-piantsonana. Ho fitsinjovana ny fitoanana sy tsy fanaran-dalana samihafa ateraky ny fiara vaventy, izay mitera-doza matetika eto Toamasina izany toe-draharaha izany.
Malala Didier




