Loharanom-baovao eo anivon’ny mpitandro ny filaminana no nahafantarana ny fisian’ilay fikasan-dratsy. Tsy inona izany, fa ny fisian’ny andian’olona izay misy manakarama ka handroba eto an-drenivohitra mandritry ny andron’ny sabotsy. Izy ireo dia hozaraina akanjo misy ny sarin’ny kandidà izay holotoina anarana ary mifandraika amin’izay indrindra ny tanjona. Raha ny fantatra, dia misy avy hatrany ny fepetra noraisina momba io vaovao izay tsy mbola fantatra izay mety ho fahamarinany io. Amin’io asabotsy io no isan’ny andro lehibe ho an’ny kandidà, indrindra ireo izay misy enti-manana hamondronana artista hanao fampisehoana mba hisintonana olona. Faradoboka mialoha ny fotoana io raha atao bango tokana, satria ny andro faran’ny fampielezankevitra, dia ny alin’ny alatsainainy, izany anefa dia mitontona andro fiasana. Samy miezaka arak’izany ny kandidà ny hanatontona enti-manana faramparany amin’io sabotsy io. Dia io indrindra no misy mitady hanararao-dratsy mba hentina handotoana ny sasany. Soa fa henon’ny mpitandro ny filaminana mialoha ka raha ny fantatra dia nisy ny fivoriana mahakasika izany, mba hialana amin’izay mety ho fihoaram-pefy hataon’ny olon-dratsy. Hatreto izany, dia mbola misy hatrany ny mitady ny fomba rehetra na mba tsy hisian’ny fifidianana, na koa mba hanalana izay kandidà matanjaka avy amin’ny fandotoana azy ireo. Ny tena loza aza, dia misy hatramin’ny fikasihan-tànana. Herinandro farany mialoha ny fifidianana ity herinandro ity ary eo indrindra no tena mila hamafisin’ny mpitandro ny filaminana ny fepetra rehetra mba hamehezana izay mety ho korontana hitranga. Izay rahateo no tena isan’ny andraikitra napetraka amin’ity governemanta ity.
D.R