Ny andron’ny alahady faha 23 jona taona 2024 teo no nahazo fifanarahana tamin’ny mpikarakara lanona fampisehoana ara-javakanto ny tarika » Annicette, » hoan’i Mahazomà an-tampon-tanàna. Raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana hatrany, dia mbola tsy nirotsaka ny » ambiance » na lanonana nataon’ny mpanakanto Annicette no nisy olona roalahy mpinamana, efa kimamomamo toaka, tao anatin’ny fefy. Tsy hay ny antony nifamalian’izy roalahy tao, fa ny anankiray nikapoka tavoahangy labiera an’ilay lohany namany no hitan’ny mpitandro ny filaminana iray sy ny Quartier mobile iray, ka nifampitolomana nalaky, mba tsy hisian’ny fifandonana sy ilay kapoka tavoahangy labiera. Tamin’izay no voatsindry tao ambany ranamana ka namoaka ny antsy nisisika teo am-balahany, ary voatsatoka antsy tamin’izany, ny quartier mobile iray na miaramilam-pokontany ihany koa no filaza azy ireny. Taitra ireo olona hijery » Spectacle » tao anaty fefy, rehefa natsikaritra ny zava-niseho ka tonga dia nanampy ny Zandary iray, tamin’ny fampitolomana sy fisamborana. Tsy nisy resaka maro ihany koa fa nentina teny amin’ny biraon’ny Zandary ao amin’ny Poste fixe Mahazomà ny navanon-doza, raha noentina namonjy hôpitalibe taty Maevatanàna ilay naratra voatsatoka antsy, satria tsy vita tany an-toerana ny fitsaboana azy. Efa ho adiny iray aty aoriana nisehoan’ity trangan-javatra ity, vao nanomboka ny fampisehoana nataon’ny mpanakanto Annicette. Marihina fa efa nahazo fitsaboana sahaza azy, ao amin’ny hopitalibe Moeafenokely/Maevatanàna ilay quartier mobile voatsatoka antsy no tsy misy hatahorana ihany koa ny ainy, raha mbola voatazona natao andrimaso ao biraon’ny Zandary kosa ny navanon-doza, sady hanaovana fanadihadiana sy famotorana.
Ratantely