Antso vonjy maika no nataon’ny fianakavian’i Fitahiana. Io farany dia iray tamin’ireo narary mafy vokatry ny fanapozinana teny Ambohimalaza. Nivoaka ny valin’ny fitsirihana ny vatany ary voaporofo fa misy nofo maniry indray eo anivon’ny lalan-drivotra. Raha ny fianakaviany hatrany dia tsy vita eto an-toerana intsony ny fitsaboana izay mila fandidiana. Mila entina ao amin’ny nosy Maurice amin’ny fitsaboana ary manao fanentanana isan’ambaratongany izy ireo mba hanampy sy handray andraikitra tandrify amin’izany. Faran’izay maika izany raha araka ny filazan’izy ireo hatrany. Naparitak’izy ireo tamin’ny tambajotra sosialy izany antso izany ary marobe no indray nahita. Sarotra ary tena manahirana ny fitsaboana ireo tanora hany sisa velona amin’ity raharaha ity. Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ambony dia « botulisme de guerre » na fanapozinana fampiasa amin’ny ady no nitranga. Mahakasika ny fanadihadiana eto an-toerana indray dia mbola andrasan’ny maro ny valin’izany ary mandraka ankehitriny. Iza ilay papasôsy tao ambadika izay voaresaka matetika ny fisiany? Inona no tena anton’ny fanapozinana ireo tanora tsy manan-tsiny? Mbola marobe ny valim-panontaniana izay andrasan’ny maro, indrindra fa ireo havan’ny niharam-boina. Mbola tantara mitohy arak izany ny raharaha Ambohimalaza.
D.R




