- Publicité -
samedi, novembre 21, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRaharaha Ambohimalaza : Nampiaka-peo ireo mpitsabo nentim-paharazana

Raharaha Ambohimalaza : Nampiaka-peo ireo mpitsabo nentim-paharazana

Anisan’ireo olona voampanga ary henoin’ny fitsaràna, eny amin’ny tribonaly Anosy nanomboka ny alarobia teo, mahakasika an’ilay raharaha fanapoizinana nahafaty olona 35, ramatoa Razafindravony na i Bebe, ilay mpitsabo olona nentim-pahazarana tetsy Ambohimirary. Niteraka fientanana sy fanohanana avy tamin’ireo mpiray asa izany toe-javatra izany, indrindra fa taorian’ireo fitantarany ny zava-nitranga : ny fampijaliana nataon’ireo mpanao famotorana sy fanerena azy hilaza ny zavatra tsy nataony. « Tsapa hatramin’ny voalohany fa tsy misy hidiran’i Nenibe mpitsabo olona ity raharaha ity » hoy Dadilahy Harif Aly Manakasy, anisan’ireo mpandala ny fomban-drazana tonga teny Anosy nanatrika ny fitsaràna. « Hiharan’ny fanasoketàna ireo mpandala ny fomban-drazana (…) Hatramin’izay, raha vao misy zavatra tsy manjary mitranga eto amin’ny firenena, fanapahana lohan’olona, fanaovana soron’olona, dia ireo mpitsabo sy ny mpandala ny fomban-drazana hatrany no voasoketa sy voahosom-potaka » hoy hatrany izy. Izay antony izay, raha ny fanazavana, no antony hijoroan’izy ireo sy hanohanan’izy ireo an’ity mpitsabo nentim-paharazana ity, ao anatin’izao fotoam-pitsaràna malaza izao. « Tsy tokony hisy olona hiharan’ny daroka sy vono ary terena hiteny ny zavatra tsy nataony » hoy izy. Etsy andanin’izay, miantso ireo olona efa nahita fahasoavana tamin’ity ramatoa mpitsabo ity moa izy mba hijoro hanohana sy haneho firaisan-kina. Maniry ihany koa izy ireo ao anatin’ny fiombonam-ben’ny Manankasy, ny hametrahana ny marina, ny rariny sy ny hitsiny amin’izao raharaha izao. Tsiahivina, raha ny fizotry ny raharaham-pitsaràna nandritry ny andro fahatelo, omaly, dia nisy ny horonantsary navoakan’ny Fampanoavana ambony, izay mampiseho an’ity mpitsabo nentim-paharazana ity nilaza fa nanome fanafody hanapoizinana ireo olona lasibatra tamin’iny « anniversaire mainty » iny. Horonan-tsary izay heverin’ireo mpisolo vava fa azo tamin’ny alalan’ny faneriterena sy fampijaliana nataon’ireo mpanao famotorana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici