- Publicité -
samedi, septembre 12, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRaharaha Ambolotarakely Ankazobe : Nadoboka avy hatrany eny Tsiafahy ilay olon-dratsy nitolo-batana

Raharaha Ambolotarakely Ankazobe : Nadoboka avy hatrany eny Tsiafahy ilay olon-dratsy nitolo-batana

Omaly no natolotra teo anoloan’ny mpitsara mpanao famotorana ilay olon-dratsy, fantatra amin’ny petak’anarana hoe “Dofa”, izay isan’ireo tompon’antoka tamin’ny famonoana ankitsirano ireo olona telopolo mahery tany Ambolotarakely Ankazobe, ny 29 jolay lasa teo.  Araka ny fanapahan-kevitr’ireto farany dia nadoboka avy hatrany eny amin’ny Fonjaben’i Tsiafahy ity jiolahy ity, mandram-piandry ny fotoam-pitsaràna azy.

Tsiahivina fa ny faran’ny herinandro teo ity farany no nitolo-batana teny anivon’ny vondron-tobim-paritry ny zandary “Imerina Central”, rehefa avy nifampitadiavana sy namoahana didy fampikarohana. Voalaza araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandamariam-pirenana hatrany fa nanaiky ny hitolo-batana ity farany, rehefa noresen’ireo havany sy ny fianakaviany akaiky lahatra. Marihana moa, raha ny vaovao hatrany fa ankoatr’ity raharaha famonoana olona tany Ambolotarakely ity dia mbola karohin’ireto farany amin’ny resaka asan-jiolahy hafa ny lehilahy. Heverina araka izany fa mety hanaraka ny diany tsy ho ela ihany koa, hitolo-batana na ho voasambotra, ireo olona hafa voatononona, ho tompon’antoka tao anatin’iny raharaha iny. Iarisy sy ireo namany hafa.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici