- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversRaharaha Danil Radjan : Nahemotra ny fanadihadiana ifotony

Raharaha Danil Radjan : Nahemotra ny fanadihadiana ifotony

Tokony ho ny talata teo no nandeha ny fanadihadiana ifotony mahakasika ny raharaha famonoana an’i Danil Radjan. Nahemotra amin’ny fotoana hafa anefa izany, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny fitsaràna. Ny antony dia notazomin’ny tsiambaratelon’ny famotorana aloha hatreto. Betsaka ny andrasàna amin’ity raharaha ity ary ny hivoahan’ny marina momba ny antony namonoana ilay teratany karàna voalaza anarana etsy ambony no isan’ny mibahana sy handehanan’ny fanadihadiana. Ny fitsaràna (malagasy sy frantsay) roa tonta no mety hanangana ny komisiona iraisana izay hanao ny fanadihadiana sy hitsara ny raharaha. Efa nilaza rahateo ny mpiaro ny fianakavian’ny maty fa hisy manam-pahaizana vahiny maromaro hiditra an-tsehatra ary handalina bebe kokoa ny raharaha mandra-pivoakan’ny marina. Mizaka ny zom-pirenena malagasy sy frantsay ny olona novonoina ary izay no antony hitsanganan’ny fitsaràna roa tonta amin’ny fitrandrahana ny marina sy ny famaizana ny tompon’andraikitra tamin’ny heloka bevava. Niteraka resa-be hatrany ity vonoan’olona tao amin’ny toerana voaaro indrindra eto an-drenivohitra ity. Efa nomanina tanteraka ilay heloka bevava raha ny fandinihana azy, saingy ny fisian’ny « camera de surveillance » tao an-toerana no tsy noeritreretin’ireo jiolahy mpamono olona.    Eny anivon’ny mpitsara mpanao famotorana tanteraka ny fanadihadiana ankehitriny ary efa nanasa tànana rahateo ny mpitandro ny filaminana satria vita ny asan’izy ireo. Vita tsara ny fanomezana ny horonan-tsary ho an’ny fitsaràna, ny firaiketana an-tsoratra ny fanambaràn’ny voarohirohy sns.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici