Taorian’ny fitsarana ireto 4 mianadahy izay voampanga tamin’ny fandratrana sy fanendahana polisy mivady. Nihasarotra tokoa ity raharaha ity noho ny tsy faneken’ny voatory ny fitoriana izay napetraka ireto polisy mivady. Samy nametraka fitoriana avokoa ny roa tonta na ny andaniny na ny ankilany, tetsy andaniny dia nametraka fitoriana ny Depiote Ninà noho ny fisavana niteraka fahaverezan-javatra maro tao an-tranony. Etsy ankilany kosa dia voalaza fa nanamafy ny fitoriany ireto mpitory noho ny raharaha izay tena miha sarotra tokoa . Araka ny fanazavan’ny vadin’ ity polisy ity dia tsy hanaiky mora izy ireo satria efa mihitatra ity zavatra ity, nambarany hatrany fa mpadaingy ny olona toriana ka izay no hanamafisana ny fitoriana « Samy hafa ny zavatra nambaran’ny vavolombelona » hoy hatrany ny filazany ramatoa vadina polisy. Raha tsiahivina moa ny teny amin’ny fitsarana ny faha 20 septambra teo dia nanana vavolombelona roa ny voatory ka izay no mampihahihahy ireto mpitory noho ny voalazan’ireto vavolombelona tsy mari-pototra. « Milaza ny vavolombelona fa tany an-trano ireo olona ireo anefa fa ita izao fa tany 67 ha izy ireo » hoy hatrany ny nambaran’ity vadina polisy ity . samy miaro ny rambony tsy ho tapaka na ny andaniny na ny ankilany ka ny faha 27 septambra izao no hiandrasan’ny be sy ny maro momba ity raharaha ity.
FINARITRA.RAKOTO(Stagiaire)