- Publicité SW45 -
vendredi, mars 21, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha « fer-rond » Barikadimy Toamasina : Miandry fotoam-pitsarana ady heloka bevava andian’ny voalohany

Raharaha « fer-rond » Barikadimy Toamasina : Miandry fotoam-pitsarana ady heloka bevava andian’ny voalohany

Tena mampanahy ny maro ny mety hisehoana valifaty sy korontana eo anivon’ny toeram-ponenan’ireo mpianatra ao amin’ny oniversite Barikadimy. Ny zavatra hita mantsy izao dia efa mifandranitra ireo mpianatra avy amin’ny fiavoany avy, izay samy manana ny filazany momba ilay tranga vono olona eo anivon’ireo haino vaky jery samy eto Toamasina.

Efa nisy ny fifampiresahana teo amin’ireo mpianatra avy Sofia manana ny mpianatra voanfonja vonjy maika noho ity resaka vono olona ity, izay natao ny 10 may teo tao amin’ny lapan’ny faritra atsinanana. Nivoitra nandritra ity dinika ity ny fangatahn’ireo mpianatra avy any Sofia ireo ny famotsorana ny mpianatra namany Atoa Totozara Erneste, na koa ny fisamborana ireo nahavanon-doza rehetra niaraka taminy satria fitsaram-bahoaka no nampidirana vonjy maika am-ponja azy. Raha namaly ny fangatahan’ireto mpianatra Sofia ireto ny talem-paritry ny filaminana anatiny eto Toamasina, dia nangataka anaran’olona nahavanon-doza fantatra izy ireo nefa tsy nandalo fanadidiana. Ny olana anefa na anarana iray aza tsy voatonon’ireto mpianatra ireto nandritra izany, izay mbola nohamarin’ny tonia mpampanoa lalana ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina ihany koa fa nandritra ny famotorana lalina natao tamin’ny Atoa Torozara Erneste teo anivon’ny mpitsara misahana ny antontan-taratasin’ady dia tsy nisy anaran’olona hafa nolazainy.

Ankilan’izany dia nandà mafy ny hamontsorana ny voapanga ireo zanaka grand sud izay nanana ny maty nandritra izany. Sarotra ny hamotsorana olona manana fitoriana amin’izay ady heloka bevava ilay fitoriana nataon’ny anabavin’ilay maty, miandry ny fahatongavany eto Toamasina avy any Toliara dia hiroso ny fanadiadiana lalina farany, ary aorin’izay haroso amin’ny antontan-taaratasin’ady hotsaraina amin’ny ady heloka beavva andiany voalohany ny raharaha vono olona tao Barikadimy ity.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici