- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRaharaha Firose Nourbhay : Tsy mbola misy mangirana hatramin’izao

Raharaha Firose Nourbhay : Tsy mbola misy mangirana hatramin’izao

Hatreto, mbola tsy misy mangirana ny momba ilay zanaka Karàna mpiantry ny ny Lycée Français nisy naka an-keriny ny talata lasa teo. Ny hany fantatra, araka ny vaovao farany nomen’ny polisim-pirenena, dia efa fantatra ny tompon’ilay fiara Renault Espace nampiasain’ireo mpaka an-keriny ka mitohy hono ny fanadihadiana. Manahy mafy noho izany ny fianakavian’ity tovolahy ity, satria toa mitarazoka ny raharaha. Antony iray nahatonga ireo izay nandray anjara tamin’ilay Hetsika fanehoana firaisan-kina nataon’ireo mpianatra, mpamianatra sy mpiasan’ny Lycée français, ray aman-drenin’ny mpianatra, nampian’ireo solontenan’ny Masoivoho Frantsay eto Madagasikara  notanterahina teny Ambatobe ny alakamisy teo, hangataka ny handraisan’ny polisy frantsay anjara amin’ny fikarohana ity ankizy ity, ary indrindra ny hitadiavana ireo olon-dratsy . Ny polisy frantsay izay heverin’ireo izay nandray fitenena fa manana ny traikefa sy ny teknolojia enti-mihetsika amin’ny raharaha toy izao.

Inona tokoa moa no tsy tokony hirosoana amin’izany satria hita fa ain’olona no lalaovina amin’ny resaka « kidnapping” toy izao ? Nanetsi-po tokoa ary tena nahavalalanina ny maro ny nampahatsiahivan’ny Filohan’ny Federasianan’ny fikambanan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny Lycée Frantsay miparitaka manerana an’izao tontolo izao ny momba ilay zanaka karàna iray nisy naka an-keriny tany Toamasina voalana maromaro izay, nefa dia tsy hita velona, tsy hita maty.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici