- Publicité -
mardi, septembre 15, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRaharaha Firose Nourbhay : Tsy mbola misy mangirana hatramin’izao

Raharaha Firose Nourbhay : Tsy mbola misy mangirana hatramin’izao

Hatreto, mbola tsy misy mangirana ny momba ilay zanaka Karàna mpiantry ny ny Lycée Français nisy naka an-keriny ny talata lasa teo. Ny hany fantatra, araka ny vaovao farany nomen’ny polisim-pirenena, dia efa fantatra ny tompon’ilay fiara Renault Espace nampiasain’ireo mpaka an-keriny ka mitohy hono ny fanadihadiana. Manahy mafy noho izany ny fianakavian’ity tovolahy ity, satria toa mitarazoka ny raharaha. Antony iray nahatonga ireo izay nandray anjara tamin’ilay Hetsika fanehoana firaisan-kina nataon’ireo mpianatra, mpamianatra sy mpiasan’ny Lycée français, ray aman-drenin’ny mpianatra, nampian’ireo solontenan’ny Masoivoho Frantsay eto Madagasikara  notanterahina teny Ambatobe ny alakamisy teo, hangataka ny handraisan’ny polisy frantsay anjara amin’ny fikarohana ity ankizy ity, ary indrindra ny hitadiavana ireo olon-dratsy . Ny polisy frantsay izay heverin’ireo izay nandray fitenena fa manana ny traikefa sy ny teknolojia enti-mihetsika amin’ny raharaha toy izao.

Inona tokoa moa no tsy tokony hirosoana amin’izany satria hita fa ain’olona no lalaovina amin’ny resaka « kidnapping” toy izao ? Nanetsi-po tokoa ary tena nahavalalanina ny maro ny nampahatsiahivan’ny Filohan’ny Federasianan’ny fikambanan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny Lycée Frantsay miparitaka manerana an’izao tontolo izao ny momba ilay zanaka karàna iray nisy naka an-keriny tany Toamasina voalana maromaro izay, nefa dia tsy hita velona, tsy hita maty.

T.M.

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici