- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Ikongo : Efa nisy nentina niala tao an-toerana ny razana

Raharaha Ikongo : Efa nisy nentina niala tao an-toerana ny razana

Efa hita avokoa ireo razana sivy tsy hita popoka, andro vitsy talohan’izao. Nentina tao Ikongo izy ireo ka ny andron’ny alatsinainy dia efa notaterina tamin’ny fiara niakatra any amin’ny faritra niaviany izany. Raha ny fantatra dia ireo telo voalohany, izany hoe ireo polisy roa sy miaramila iray. Ny ambiny kosa, izay hita manaraka, dia mbola nentina ao Ikongo aloha. Etsy andanin’izany dia re tamin’ny loharanom-baovao avy any an-toerana fa misy ny voafonja nitsoaka kanefa niverina tsikelikely nanatona ny fonja. Tsy mbola nisy ny tarehimarika ofisialy nampitaina momba izany ary mitombo hatrany koa ny isa, raha ny vaovao azonay avy any an-toerana hatrany. Heverina fa reraka tamin’ny fitsoahana ireo gadra, sady tsy misy vatsy ihany koa, ka ny niafarany dia nanapa-kevitry ny niverina. Momba ny fidinan’ny mpitandro ny filaminana marobe indray dia tsy tena fampandrian-tany loatra, araka izay nandrasan’ny maro, no anton-dia fa kosa mifantoka amin’ny fanabeazana ho olom-pirenena. Afak’omaly ary dia navondron’izy ireo tao amin’ny tranobe Manankazo ny vehivavy sy ny tanora ary nampitana izany fanabeazana izany. Ato ho ato kosa dia ny vatan-dehilahy indray no hampitàna izany fahalalàna izany. Mahavelom-bolo izany asa izany, satria betsaka no nihevitra fa hisy rà mandriaka indray izany ity rodobe fidinana tany Ikongo ity, miaraka amin’ny fitaovam-piadiana isan-karazany. Misy fomba fijery hafa fa tsy voatery amin’ny alàlan’ny herisetra no handaminana ny herisetra. Heverina ho izay no lalan-tsaina entina mamaha ity olana any Ikongo ity hatreto. Tsy fantatra kosa ny hoe hatramin’ny oviana no hiverina tanteraka ny filaminana, satria toa mandrimandry manana aretina ihany ny ao an-toerana ary ny manam-pahefana maro dia efa tsy ao intsony fa nitsoaka nanavotra ny ainy. Soa fa mba tsy nisy rà latsaka hatreto momba ity raharaha ity ary tokony hoezahina tsy hisy mihitsy izany mba tsy hanasarotra ny fampandriana ny fahalemana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici