Hatreto, dia mbola mijanona hatreto amin’ny « reconstitution » nataon’ny fitsarana ilay raharaha vono olona nitranga tetsy Betongolo, niseho ho efa-bolana lasa izay. « Tsy misy akom-baovao intsony azonay fianakaviana mikasika ny tohin’ny fanadihadiana, na ny andro hanaovanana ny fitsarana. Manahy izahay araka izany, sao dia ho very anjavony any fotsiny ny fanadihadiana» hoy Rtoa Saholy Andrianantoanina, rahavavin-drenin’i Ketaka Razafimisa, solontenan’ny fianakaviana, raha nampiantso ny mpanao gazety omaly, teny amin’ny toeram-ponenany teny Betongolo. Raha ny filazan’ireto fianakaviana ireto, dia efa naterina tany amin’ny Fitsarana avokoa ny porofo rehetra ary efa tonga namerina ny tranga ireo mpitsara mpanao famotorana, iray volana lasa izay. Hatreo dia nangina tanteraka ny feo, hoy hatrany izy ireo. Tsara tsiahivina, fa hita faty tao amin’ny toeram-ponenany ity tovovavy ity. Nambara tamin’izay, fa namonotena ny tenany. Nanamafy anefa ny fianakaviana fa « olona mankafy fiainana i Ketaka ka tsy ao anatin’ny fandaharam-piainany mihitsy izany famonoan-tena izany ». Nohamarin’ny pôlisy anefa, fa maty nisy namono i Ketaka. Ilay sakaizany no voarohirohy voalohany, izay mbola mandà tanteraka anefa hatreto. Ity farany moa izay efa nohenoin’ny Fampanoavana, ka nalefa vonjimaika teny Antanimora. Manao antso avo araka izany ireto fianakavian’ny maty ireto mba hijeren’ny tomponandraikitra akaiky ity raharaha ity, « sao sanatria ho matimaty foana ny havanay » ho izy ireo.
m.L