Nitsimbadika tanteraka ny raharaha. Niafara hatramin’ny fitoriana mpanao gazety mihitsy mantsy ilay raharaha fakàna an-keriny, zanaka mpandraharaha amina hazo tany Toamasina. Ilay raharaha Arnaud sy Annie. Fantatra mantsy fa hohenoina eny anivon’ny Fampanoavana anio, ny namana, Fah Andrimanarivo, mpanao gazety avy gazety Ma-laza, miaraka amin’ny mpanao gazety hafa. Izany dia noho ny fitoriana napetrak’Atoa Arland, rain’i Arnaud noho ny lahatsoratra nivoaka an-gazety mahakasika ity rangahy ity. Votoatin’ny fitoriana : famoahana vaovao tsy marina, mahakasika ity farany ka miendrika fanalam-baraka azy. Faharoa dia ny mety ho firaisana tendro amin’ireo mpaka an-keriny an-janany Arnaud. Efa nisy ny famotorana natao an’ireto mpanao gazety ireto teny anivon’ny zandary ary izao hohenoina eny anivon’ny Fampanoavana izy ireo anio. Dia mahagaga tokoa ity fitsimbadihan’ny toe-draharaha ity. Moa tsy ny zo fototry ny tsirairay hahalala vaovao indray no voahosihosy hatreto. Toa ny mpanao gazety, mitati-baovao indray mantsy no iantefan’ny rihatra sy hametrahana fitoriana, fa tsy iretsy lohandohan’ny mpisorona tao ambadik’io raharaha io. Sa mety hoe misy marina mitady hitsikafona ao ? Ekena tokoa mantsy fa hoe niharam-boina sy nanana ny very ity rangahy ity sy ny fianakaviany, na izany aza, tsy tokony hohadinoina fa mpandraharaha amina hazo izy. Ary rehefa resaka hazo mampidi-bola be, toa tsy maintsy ao ambadika foana ny… andramena. Andrasana araka izany ny tohin’ny raharaha.
m.L