- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRaharaha Maroantsetra : Any Toamasina no hotsaraina ireo olona voasambotra

Raharaha Maroantsetra : Any Toamasina no hotsaraina ireo olona voasambotra

Haingana ny raharaha fisamborana olona nataon’ireo mpitandro ny filaminana niarahan’ny zandary sy polisy avy eto Toamasina sy Antananarivo ary ny tany an-toerana ny alin’ny alarobia nifoha ny alakamisy teo. Olona dimy, isan’izany Ingahy Rodrigue, no voasambotra tamin’izany izay efa nentina fiaramanidina manokana nofain’Ingahy Besoa, araka ny angom-baovao marim-pototra.

Raha ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny fitsarana Toamasina dia ny zandary mikasika ny fikarohana araka heloka be vava no mihazona azy ireo eto Toamasina, nefa iarahan’ny polisy sy ny zandary nanao ny hetsika fisamborana ny fanadihadiana. Ho an’Ingahy Rodrigue, ankoatra ny heloka ara-bola ifanolanany amin’Ingahy Besoa Eric noho resaka taratasim-bola tsy misy antoka, dia voaenjika amin’ny raharaha fikomiana sy fanakorontanana filaminam-bahoaka ary fandorana biraom-panjakana koa ny tenany sy ireo namany, izay voalaza fa ahitana ireo mpitarika sy ireo nanao ny sakoroka tany an-toerana.

Milamindamin-dratsy ny any Maroantsetra ankehitriny, mbola eo ny lonilonim-piaraha-monina. Ankoatra izay, dia fivoriana foana ny niseho tao Maroantsetra omaly tontolo ny andro ho fandaminan-draharaha, sy ho fitandroana ny filaminam-bahoaka. Ireo mpitandro ny filaminana nalefan’ny fanjakana any an-toerana ihany koa efa samy nahazo baiko amin’ny fitandroana izany amin’ny fomba rehetra.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici