- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversRaharaha Maroantsetra : Ifangaroan’ny politika sy ny fifanaratsiana hoy ny minisitry ny fitsarana

Raharaha Maroantsetra : Ifangaroan’ny politika sy ny fifanaratsiana hoy ny minisitry ny fitsarana

Isan’ny raharaha nitana ny sain’ny Malagasy rehetra ny raharaha tany Maroantsetra nifanesy tato ho ato teo ireny, ka betsaka ny hevitra nivoaka sy resaka nandeha ary ny fifanomezan-tsiny ihany koa. Nandritra ny fitokanana ny tranom-pitsarana vaovaon’ny fitsarana ambony teto Toamasina ny zoma 12 avrily misandratr’andro teo, dia isan’ny niompanan’ny kabary manokan’ny minisitry ny fitsarana tonga teto Toamasina ny resaka raharaha Maroantsetra iny. Na tsy nilaza mivantana aza ny minisitra dia nisongadina tamin’ny laha-teny nataony, fa ifangaroan’ny resaka politika sy ny fifandrefena misy eo amin’ny fiaraha-monina an-toerana ny raharaha nitranga, satria saika isan-taona dia misy hatrany ny habibiana miseho any an-toerana ary saika misy fatiolona hatrany izany. Efa nanaraka ny fomba fanao amin’ny fitandroana ny toby misy azy ny polisy tao Maroantsetra, saingy niroso ihany ny fokonolona, ka raha tsy nisy aza ny fandraisana andraikitry ny polisy dia mety faty olona nikararana no niseho satria toby no nisy niditra an-keriny. Manana andraikitra goavana amin’iny raharaha iny ny vahoaka sy ny olo-be an-tanana ary ny mpanao politika hoy ny minisitra ny fitsarana, ka mora ny manaparitaka lainga sy ny fanaratsiana noho i Maroantsetra distrika mitoka-monina ; saingy na inona no niseho na ho iza no meloka dia tsy maintsy hizaka ny vokan’ny nataony izay rehetra nahavita heloka rehetra tamin’iny raharaha iny, na ny polisy namono olona niteraka ny raharaha, na ny vahoana nanao fandoroana trano sy ny fananam-bahoaka. Efa mandeha ny fanadiadiana ny raharaha izao, izay mpitsara avy eto Tamasina ifangaroan’ny mpiasan’ny minisiteran’ny fitsarana izany. Ankoatra izany, dia fantatra izao, mba tsy hitaran’ny raharaha dia nandray ny andraikiny ny minisiteran’ny fitsarana sy ny fandraharaha ny fonja, fa ireo jiolahy nitsoaka ny fonja tratra amin’izao fotoana izao dia hafindra eo anivon’ny fonja ben’i Toamasina. Niisa efatra izy ireo no tratra tamin’ireo enina nitsoaka ny fonja, saingy telo sisa tavela noho ny iray tamin’ireo efatra niharan’ny fitsaram-bahoaka noho izy io efa jiolahy hikohizana any an-toerana.

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici