Ny sabotsy sy ny alahady teo dia tsy nitsahatra nanao fivoriam-be ireo sojabe, tangalamena, Antemaroa tao Maroantsetra, sy Atoa Ramaroson Jacques lehiben’ny faritra Analanjirofo mitarika ny fihaonana, ary ny lehiben’ny distrika izay nanana ny birao may nandritra ilay sakoroka ny herinandro teo.
Tao anatin’ny roa andro nihaonana io vao hita ny hevitra nitoviana teo amin’ireo mpivory, ka nisy ny tondrozotra nifanekena sy nifanaovana sonia teo amin’ireo mpandray anjara rehetra. Ny tanjona aloha dia ny famerenana ny filaminam-bahoaka sy ny fitonian’ny fiaraha-monina an-tanàna. Voarakitra ao anatin’ilay tondrozotra ny hoe: manomboka izao dia mijoro ho mpanelanelana mikasika ny raharaha Besoa Eric – Mahavita Rodrigue ireto tangalamena Antemaroa; ka hisy ny ho fampifanatonana ireo ekipan’ny mpitory sy ny toriana nahatonga ny sakoroka, hisian’ny fananarana sy fifampiresahana. Aorian’izay dia hisy ny ho fampiharana ny sazy ara-pomban-drazana ho an’izay mbola mihoa-pefy.
Tsy voafaritra mazava ao anatin’ilay tondrozotra, izay fantatra fa nahatonga ny fahalavan’ny fihaonana namolavolana azy, ny mikasika ireo olona 5 efa voasambotra, izay miatrika ny fakana am-bavany azy ireo eo anivon’ny zandary misahana ny fikarohana momba ny heloka be vava Toamasina, sy ny fitadiavana mbola mitohy atao amin’ireo olona maromaro mbola karohina, izay tsy ao Maroantsetra ihany intsony fa mitohy hatrany SAVA, voalaza fa nandrosiran’izy ireo. Na izany aza, efa misy filaminana ny ao an-tanàna izao, izay rahateo no efa nandefana nody ireo FIGN tany an-toerana, ireo polisin’ny FIP sisa no mbola manampy ny namany ao Maroantsetra.
Malala Didier