- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha nahafaty zandary : Mitohy ny hazalambo hatrany anaty ala rehetra any

Raharaha nahafaty zandary : Mitohy ny hazalambo hatrany anaty ala rehetra any

Mitohy ny fikarohana hataon’ny zandary an’ireo izay ahiana ho tompon’antoka tamin’ny famonoana ny olon’izy ireo. Mitohy ny savahao izay hatrany anaty ala. Omaly dia tonga hatrany amin’ny fiafaran’ny fari-piadidiana (limitrophe) Andaingo sy Besakay ireo mpitandro ny filaminana. Tsy nisy nohamaivanina mihitsy ny fizotran’ny fidinana an-tsehatra ary nosamborina izay rehetra noahiahiana. Isan’izany ny mpimasy izay voarohirohy ho mpamatsy ody ireo zazamena. Ramatoa iray 47 taona io nosamborina io ary nogiazana ireo ody notazominy. Etsy andanin’izany dia efa tafiakatra efatra ny isan’ireo mpikamban’ny zazamena izay voasambotra. Nandritry ny fanadihadiana no nanoro ny toerana fierena izy ireo ary koa nanonona ny momba ireo mpampiofana hiady azy ireo. Karohina ary hatao savahao koa ireo farany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici