Manoloana ny olana ateraky ny lalana voalaza fa notampenan’ny tompon-tany maromaro eny Nanisana, ka nisian’ny karazan-ketsika nataon’ny olona ary nidinan’ny solombavambahoaka Raholdina teny an-toerana, dia nivoaka tamin’ny fahanginany ireo voakasika. Ramatahora sy tsindry hazo lena avy amin’ny fampiasàna andian’olona no misy, raha araka ny fanazavan’izy ireo. «Efa telo taona lasa no nisy ny fanampenan-dalana rehefa nividy ny tany ny tompony. Taty aoriana anefa nipoitra ny olana rehefa nividy tany teny an-toerana ihany koa ny solombavambahoaka Raholdina. Tsipihanay anefa fa tsy izahay no nanampina ny làlana », hoy ireo tompon’ny tany izay nahatsiaro tena ho voatohintohina anatin’izao raharaha izao. Mahatsiaro tanteraka ho tratran’ny ramatahora izy ireo amin’ny tenin’ny solombavambahoaka teny an-toerana ny herinandro teo ka nitondrany olona efa ho 200 ary nilazany fa azo atao tsara ny maka ny tany raha ilaina izany, ary tsy maintsy alain’ny fanjakana ny tany. «Manana porofo izahay ny amin’ny toe-javatra tsy mety ataon’ny depiote Raholdina, toy ny fampidirana rano lazaina fa an’ny vahoaka kanefa ho azy manokana. Eo ihany koa ny fifamaliana amin’ny tompon-trano amin’ny resaka jiro izay miteraka fanelingelenana any an-tranonay, kanefa tsy nisy fifampierana. Talohan’ireo tranga ireo dia efa nisy ny fifampiresahana taminy ary tao anatin’ny filaminana izany, kanefa gaga izahay taty aoriana kely fa iny izy nitondra olona nanao ramatahora teto an-tanananay. Ny fanamparam-pahefana ataon’ny olomboafidy toy izao mihitsy no manaratsy endrika ny Filoha », hoy hatrany ireo tompon-tany izay nitatitra ny alahelony tamin’ny mpanao gazety.
Yv Sam




