- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRaharaha Pr Ralandison Stéphan : Tsy misy antony tokony hiakarany fitsarana, hoy...

Raharaha Pr Ralandison Stéphan : Tsy misy antony tokony hiakarany fitsarana, hoy ny fampanoavana

Maro ny vaovao re sy fantatra nandritra ny fiakaran’ny Pr Ralandison Stephan nohadihadiana teo anivon’ny zandary misahana ny heloka be vava Toamasina. Vokatr’izay vaovao marobe niely izay dia niantso mpanao gazety nanazava ny tena zava-misy ny tonia mpampanoa lalàna Toamasina, Atoa Lauret Rajaona Thierry. Fihaonana natao tao amin’ny efitranom-pitsaran’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina.

Nomarihan’ny tonia mpampanoa lalàna fa efa maherin’ny 16 ireo olona nohenoina mikasika ity raharaha dokotera maty notsaboina covid-19 tao amin’ny hopitaly manara-penitra, ka ny 04 tamin’izany dia fianakavian’ilay dokotera maty avokoa. Noho ny fakana am-bavany tamin’ireo olona rehetra ireo, isan’izany ny Pr Ralandison Stéphan farany teo, dia tsy hitan’ny fampanovana ny tokony hampanantsoina ity mpitsabo ity eny amin’ny fitsarana, satria tsy misy heloka tokony hanenjehana azy ao anatin’ireo antontan-taratasin’ady rehetra hatreto. Raha ny tokony ho izy, amin’ny maha-profesora sy amin’ny maha-sojaben’ny sampam-pianarana fitsaboana azy eny amin’ny oniversite Barikadimy ihany koa, dia misy pitsopitson-dalàna tokony narahina amin’ny fampiantsoana olona tahaka izany, hoy ny tonia mpampanoa lalana, nefa hatreto dia tsy mbola najaina izany  nefa zon’ny torina.

Nambaran’Atoa Lauret Rajaona Thierry koa fa ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana amin’ny valan’aretina covid-19 isika izao, ka tsy hitan’ny fitsarana ny tombony amin’ny fanenjehana mpisabo tsy hita fahamarinany amin’ny vono olona ao anatiny. Mety hiteraka fahakiviana sy fikorontanan-tsaina ho an’ireo mpitsabo misahana ny valanaretina covid-19, tarihin’ny Pr Ralandison Stéphan izany, ka iza no hahazo tombony raha hitranga izany rehetra izany nefa ady no hatrehintsika amin’izao, hoy hatrany ny tonia mpampanoa lalàna ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina. Tao anatin’izay ihany koa dia nohazavainy hatrany fa samy mpitsabo manana ny toeram-piasany avokoa ilay mpitsabo maty sy ny profesora, ka tsy hita izay ifandraisan’ny lonilony amin’izany. Nefa raha manana porofo ny fianakaviany dia afaka mitondra izany amin’ny fitsarana.

Nangaraharaha koa ny fampanoavana nilaza fa tamin’ireo mpiasa 15 natao fitiliana noho mpiasa an-tselika iray tao amin’ny fitsarana hita fa tratran’ny covid-19 tamin’izay, dia mpiasan’ny fitsarana 06 no hita voa taty aoriana tamin’izany covid-19, ka ny 05 mpandraharahana, ny iray voafonja manao asa eo anivon’ny fitsarana. Ho fiarovana ny voafonja amin’ny valanaretina coronavirus koa dia mbola natoka-monina sy nahiboka mitokana tao Ambalatavoahangy ihany ireo voafonja vaovao miisa 100 mahery namoahan’ny fitsarana didy savaronando miandry fitsarana am-ponja teo anivon’ny fampanoavana. Hanomboka handalo fitiliana ireto voafonja ireto, ka aorian’izay vao azo afangaro amin’ireo voafonja miandry fitsarana sy efa voasazy naman’izy ireo ao Ambalatavoahangy.

Ankoatra izay dia nanambana ny tonia mpampanoa lalana, Atoa Lauret Rajaona Thierry, fa hisy ato ho ato sazy fananarana horaisina ho an’ireo mpanely vaovao tsy marina amina tambajotran-tserasera ireny, fa tena lasa nitombo izany amin’izao valan’aretina covd-19 izao, sy taorian’ny nahafaty ilay mpitsabo tao amin’ny hopitaly manara-penitra. Ao anaty hamehana ara-pahasalamana isika izao, hoy ity tonia mpampanoa lalana ity, ka tokony samy hanara-dalàna ny tsirairay fa tsy faly hanakorontan-tsaina vahoaka fotsiny.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici