- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilFaits-DiversRaharaha Soamahamanina : Sazy mihantona herintaona no azon’izy dimy mirahalahy

Raharaha Soamahamanina : Sazy mihantona herintaona no azon’izy dimy mirahalahy

Omaly no nivoaka ny didim-pitsaràna mahakasika ny raharaha Soamahamanina, ka nitsaràna azy dimy lahy mpitari-tolona sy  voarohirohy, izay natao ny voalohan’ny herinandro teo. Fantatra ary fa herintaona an-tranomaizina, sazy mihatona no didy navoakan’ny fitsaràna. Fidinanana an-dalambe tsy nahazoana alalàna, fandratràna mpitandro filaminana, fihazonana fitaovam-piadiana tsy misy taratasy ara-dalàna. Ireo no niampangana an’ireto mpitari-tolon’ny mponin’i Soamahamanina nosamborina ireto. Tsiahiviana fa efa iray volana sy dimy andro katroka no nitazomana am-ponja vonjimaika azy ireo. Taorian’ilay hetsika nahery vaika niseho tany an-toerana, ho fanoherana ireo sinoa mpitrandraka volamena, ny 29 septambra lasa teo. Tonga marobe tokoa ireo mpanohana an’ity hetsika ity sy ireo mponina avy ao Soamahamanina omaly tetsy amin’ny tribonaly Anosy, niandry ity didim-pitsaràna. Azo lazaina hoy izy ireo fa mahafaly ihany ilay didy saingy tsy mahafa-po. Nanambara mazava mantsy ny mpisolo vava mpiaro ireto voampanga ireto fa tsy mahafapo ny sazy mbola misy ambadika toa izany. « Takianay hoy hatrany ity mpisolo vava ity ny hanafahana azy ireo madiodio, ka noho izany dia mbola hampiakatra ny raharaha izahay ». Etsy andanin’izay ihany koa, mbola misy fitakiana tsy voavaly ny an’ireo mponina dia ny hanafoanana tanteraka ny fahazoan-dalana ahafahan’ireo terantany sinoa mitrandraka harena an-kibon’ny tany ao Soamahanina. Mbola hitohy ny hetsika araka izany, araka ny filazan’izy ireo.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici