- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha tora-bato fiara ao brickaville : Tsy nisy niasa ireo mpitatitra mampiasa...

Raharaha tora-bato fiara ao brickaville : Tsy nisy niasa ireo mpitatitra mampiasa ny RN2 rehetra teto Toamasina

Tsy nisy niala teo amin’ny toeram-piantsonany avy ireo fiara mampiasa ny lalam-pirenena faha-02 nanomboka omaly. Na ireo mpanao zotra nasionaly Antananarivo Toamasina, na Toamasina Moramanga na Toamasina Ambatondrazaka; teo koa ireo mpanao zotra rejionaly ahitana ireo mampitohy an’i Toamasina sy Brickaville, Toamasina Vatomandry – Mahanoro; nanaraka izao hetsika fitokonana izao koa ireo fiara vaventy mpitatitra entana mampiasa ny lalam-pirenena faha-02, ankoatra ireo mpanangona vokatra lodsia izay nifarana omaly ny fanondranana izay misaritaka na “conventionnelle”. Raha jerena izany dia nifanara-tsaina tamin’ny zava-misy tamin’ny famotsorana ireo mianadahy tena tompo-marika amin’ny fitoraham-bato fiara mandalo ao Brickaville nataon’ny fitsarana teto Toamasina, izay nireharehan’izy ireo fa nampiasany ny vola be ny mpitsara dia namotsotra azy ireo tamin’izao raharaha tora-bato fiara izao. Sempotra tamin’ny zava-misy ny tonia mpampanoa lalana teto Toamasina noho ny raharaha lasa raharaham-pirenena tanteraka ankehitriny, ka nampiantso ireo filohana fikambanan’ny mpitatitra teto Toamasina niady hevitra. Mbola ireo resaka efa nataony tamin’ny mpanao gazety nampanatsoin’ny tonia mpampanoa lalana hatrany no nataony tamin’ireo solon-tenan’ny mpitatitra, ka tsy nandravona ny olana nefa miankina amin’ny fivoriam-ben’ny filohan’ny mpitatitra nationaly rehetra ny fanapahanan-kevitra ho raisin’izy ireo. Ireo zandary nanontaniana ihany koa nilaza fa tsy afaka hisambotra ireto mianadahy tompo-marika tamin’ny tora-bato izy ireo, raha tsy didy avokoan’ny tonia mpampanoa lalana mazava no maniraka azy ireo hanao izany amin’ny lehiben’ny “OSPJ” azy. Ao anatin’izao anefa dia ireo mpandeha mampiasa ny lalam-pirenena faha-02 sy ny lalam-pirenena faha-44 no tena voa mafy amin’izao raharaha izao, satria amin’ny vanim-potoana manakaiky fety tahaka izao dia mandeha ny resaka tsena sy ny varotra; nefa manohana ny hetsiky ny mpitatitra izy ireo ho fandaminan-draharaha satria ankoatra ny fiara samba dia izy ireo ny matetika maratra noho ilay tora-bato ao Brickaville sy ny manodidina azy. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici