Nitohy omaly tao Tanandava Toamasina II ny fandorana ireo vary simba sy efa lo tratra tao amin’ny magazain’ny orinasa “Moto Commodities” sy ny “White Rice”, izay efa natomboka ny alatsinainy teo. Noho ny fahamaroan’ny varo efa simba tsy maintsy nodorana ity noho ny didin’ny minisitera ny varotra sy ny fanjifana tamin’ny fanarahana ny valin’ny fitiliana natao taminy amin’ny tsy fahazoana mihinana azy intsony, dia voatery nozaraina roa izany, ka ny 500 lasaka no novitaina ny alatsinainy teo izay efa alina vao may tanteraka ireo vary; nitohy omaly ny fandorana ireo 516 ambiny izay efa hariva be ihany koa vao potiky ny afo tanteraka izany. Natao tsara ambiny ny fandorana ireto vary efa simba sy lo tsy mety hanina intsony ireto, mba hiala amin’ireo vahoaka manodidina sy misy mihintsy ny avy eto Toamasina tampon-tanana efa mitangorona miandry fotsiny mihevitra ny haka izany hanaovana bizina indray. Vokatra io fandorana ny vary natao indroa miantoana noho ny fahamaroany io dia misy fahatarana ihany koa ny fiakaran’ireo tera-tany Pakistanais telo lahy voaroiroy ao anatin’ny raharaha eo anivon’ny tonia mpampanoa lalana izay nanome baiko ny fisamborana sy nanaovana fanadiadiana azy ireo; raha omaly no heverina hisian’izany tsy tontosa izany noho ny tsy maintsy fihatrehan’izy telo lahy ireto ny fandorana ireo vary simba sy efa lo nafaran’izy ireo sy nokasain’izy ireo hamidy eto amintsika, mba ho isan’ny vavolombelona miaraka amin’ireo ekipan’ny “Task Force” tamin’ny fanarahana ny didy fanapotehana ireto vary tsy azo hanina ireto koa izy telo lahy tompony ireo. Rah any angom-baovao farany voaray talohan’ny nanoratana ny vaovao, dia anio no heverina fa hiakaran’ny raharaha eo anivon’ny tonia mpampanoa lalana ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina.
Malala Didier