- Publicité -
vendredi, novembre 13, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRaharaha vola sandoka teto Toamasina : Mpandraharaha ara-bokatra iray nosamborin’ny mpitandro filaminana

Raharaha vola sandoka teto Toamasina : Mpandraharaha ara-bokatra iray nosamborin’ny mpitandro filaminana

Taorian’ny nahatrarana ilay vehivavy 39 taona tratra nanao vola sandoka 20.000 ariary nahatratra 600 tapitra ariary teto Toamasina tao akaikin’ny Lycée II Toamasina suburbaine, dia nitatra ny fisamborana noho ny fahazoam-baovaon’ny polisy  eto Toamasina, ka mpandraharaha ara-bokatra iray (produits locaux) indray nosamborina ny 12 novambra teo.

Voalazan’ireo efa nosamborina sy efa niakatra fitsarana, fa voatontontonona tao anatin’ireo mpanapariaka ity vola sandoka ity ilay mpandraharaha, satria efa nahitana ilay vola sandoka niparitaka tao amin’ny faritra analanjirofo iny, ary nampitaraina olona izay tratran’izany. Tsy mandefitra amin’ny fanaovana vola sandoka tahaka izao ireo mpitandro ny filaminana, noho izy io manimba ny toe-karena sy ny fiharian’ny olona. Eo ampakana am-bavany ilay mpandraharaha ara-toe-karena eto Toamasina ity, ny borigadin’ny polisy misahana ny raharaha ara-bola sy fisolokiana ka ho hita eo ny tohin’ny raharaha aoriana izany. Ilay ramatoa 39 taona aloha efa sy nandeferan’ny fampanoavana mihintsy, fa nalefa niandri fitsarana am-ponja alohan’ny  fitsarana raharaha amin’ny fitsarana ady heloka tsotra ny fitsarana ambony Toamasina. Araka ny vaovao voaray dia saika haparitaka ao anatin’ny varotra litchis hanomboka ato ho ato, raha efa manondrana amin’ny alalan’ny fiaramanidina ireo mpandraharaha ao anatin’izany amin’izao. Ity varotra litchis ity mantsy no mora anapariahana izany noho izy varotra hariva sy  ny alina ary varotra maika noho izy vokatra mora simba.

Mitohy hatrany ny fanaraha-maso ataon’ny polisimpirenena makasika azy ity, ary tsy maintsy hanaovana fakana am-bavany sy fanadiadiana avokoa ireo voatonona rehetra ao anatin’izany hamantarana ny tena marina manaparitaka azy ity eto Toamasina.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici