Tena loza ny zava-mitranga ao amin’ny fiangonana Betela tanambao V, noho ireo fihetsika ataon’ny mpivavak ao aminy. Ny alahady teo tamin’ny fotoam-pivavahana tamin’ny 5ora sy 30min teo, dia niverina indray ny olana teo amin’ireo samy mpiangona tao amin’ity fiangonana ity. Teo am-piandohana dia niparotaka aloha ny trakta nanentana ny mpiangona tsy mankasitraka ny fomba fiasan’ny pasitera tompon-toerana, ary nandefa pasitera mpisolo toerana azy ny pasitera synodalin’ny vavahadin’ny filazantasara Toamasina. Nizara roa mazava tsara ny adin’ireo akipa tsy tian y pasitera tompon-toerana tao amin’ity fiangonana Betela Tanambao V ity, satria ny ekipa voalohany nanaparitaka ny trakta tain’ireo mpino, ny ekipa faharoa koa niandry sy nandrara ilay pasitera mpisolo toerana tsy andray ny fotoam-pivavahana ao amin’ny fiangonana Betela. Vokatra izany dia ny sekretera ny fiangonana no nitarika ny fotoam-pivavahana tamin’ity fotoam-pivavahana voalohany ity. Ny olana mantsy ao amin’ity fiangonana ity dia ny tsy fisian’ny tatitra ara-bola tao anatin’ny sivy taona nataon’ny pasitera tompon-toerana. Ny tena loza amin’ity raharaha ity dia tezitra nefa tsy sahy milaza ny ao am-pony ireo kristiana tsy manohana sy tsy manaiky ity olana ity, ka nilazan’izy ireo fa very hasina ny kolontsain’ny fiangonana amin’ny asa fanompoana an’Andriamanitra, satria natao ampioray ny fiangonana fa tsy natao ampisaraka. Ahiana hisy fiantraikany amin’ireo mpino izany, ka mety maro ny hiala ao amin’ity fiangonana ity.
Malala Didier