- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRaharaham-pirenena : Mila manova famindra ny Filoha Rajoelina ho amin’ny roa taona...

Raharaham-pirenena : Mila manova famindra ny Filoha Rajoelina ho amin’ny roa taona manaraka

Roa taona sisa no dia hifarana ny fotoam-piasan’ny Filoha Andry Rajoelina. Raha ny zava-misy hatreto anefa dia tsy hisy mazia mihitsy eo fa miankina tanteraka amin’ny finiavantsika Malagasy hiatrika ny zava-misy no hanantenana fahobiazana sy fandrosoana. Izany no nambaran’Andriamatoa Rafanomezantsoa Jean Nirina, filohan’ny fikambanana Hafari Malagasy, nilaza ny fahitany fizotry ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Mila miova famindra ny Filoham-pirenena, hoy izy, raha tiana ny mbola hahatafavoaka ity firenana ity sy indrindra ahafahany hahazo indray ny fitondrana amin’ny taona 2023. Tsy handroso isika, hoy ity filoham-pikambanana misehatra amin’ny fiarovana ny zon’olombelona ity, raha mbola tsy vonona hiray hina sy hiara-mientana ny Malagasy. Tokony samy haneho fitiavan-tanindrazana ny tsirairay. Fotoana izao hanehoana izany manoloana ny fitsamatsamahana sy ny fifampiandaniana etsy sy ireo manoloana izao an-katoky ny fifidianana Filoham-pirenena izao. Samy hifandritaka indray izao ny mpanao politika sy ireo ankolafin-kery samihafa ka ho raikitra ady.saritaka. Tsy izany anefa, hoy izy, no tokony hitranga fa ilaina hitambatra ny Malagasy mba hanoherana ny tena fahavalo izay iombonana dia ny fanjanahana amin’ny endriny « môderina » izay mianjady amin’ny firenena izao. Manana herijiky ho amin’ny fanatanterahana izany ny filoham-pirenena noho izy eo amin’ny Fitondrana raha mijery marina ny zava-misy eto amin’ny firenena ny tenany, hoy hatrany ity mpandinika ny raharaham-pirenena ity izay tsy nisalasala ny nanolotra ny soso-keviny ny amin’ny tokony hijerena manokana ny momba ny hanamboarana ny endrim-pitantanana ny fitondram-panjakana ankehitriny. Nambarany fa sehatra telo no tsy maintsy asiana ezaka manokana dia ny mahakasika ny Mponina sy ny sosialy, ny Fambolena, ary ny Fiompiana. Tokony hampiana sy hampitomboina ny tetibola atokana amin’ireo minisitera misahana izany. Tokony hamokatra betsaka isika fa tsy hiantehatra sy hirona hatrany amin’ny fanafarana entana avy ivelany mba hanomezana aina ny toe-karena ka ahafahana hitsinjo ny tena filan’ny vahoaka. Eo amin’izay lafiny izay indrindra no nilazany fa tsy azo hiodivirana ny fanamboarana ny Governemanta raha tian’ny Filoha ankehitriny ny mbola hanohy hitondra ny fitondrana ity firenena ity. Tokony ahitana ny olona tena mahalala ny zava-misy iainan’ny vahoaka no ho ao anatin’ny Fitondrana. Tsara hoy izy raha handray ireo olona avy amin’ny Firaisamonimpirenena ny Filoha handrafitra ny governemanta. Ireto farany izay misehatra mivantana eny amin’ny vahoaka. Tombony ary efa hiderako ity Fitondrana ity, hoy izy nanamarika, ny nametrahana ny Biraon’ny « Doléance » ao Ambohitsorohitra io, saingy tokony tena hiasa mafy ity farany ka hijery ny tena zava-misy any amin’ny faritra rehetra any. Nambarany moa fa soso-kevitra ihany ny azy fa tsy fitadiavana seza akory. Na izany aza, dia tsy nisalasala ny tenany nilaza fa vonona ny hitondra hatrany ny anjara-birikiny hanampiana izao fitondrana izao mba ho fahombiazana hampandresena ny ezaka rehera izay efa natomboky ny Filoha Andry Rajoelina.

T.M

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici