- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRaikitra ny tora-bato : Kopikolé an’i Black Nadia no nipoitra fa tsy...

Raikitra ny tora-bato : Kopikolé an’i Black Nadia no nipoitra fa tsy izy

Tezitra ny olona noho ny antony roa. Ny voalohany dia tara ny fanombohan’ny fampisehoana. Ny faharoa kosa dia tsy ilay artista nampanantenaina no tonga teo, fa ny dika mitovy aminy, izany hoe ilay nandrombaka ny amboara tamin’ny kilalao nataon’ny fahitalavitra iray. Niakatr’afo ny olona ary nitora-bato ny lampihazo. Ny harivan’ny asabotsy teo no nitrangan’izany tao amin’ny kaominina ambanivohitra Sahasinaka-Ikianja, ao amin’ny distrikan’i Manakara. Marobe ny zava-maneno simba ary voatery noravana avy hatrany ny fampisehoana. Nahiana ihany koa ny ain’i kopikolé izay voatery nambenan’ny zandary faran’izay mafy. Nentina teny amin’ny biraon’ny zandary mihitsy i kopikolé Black Nadia mba  hialàna amin’izay mety ho fikitihan’ny olona azy ary natory tao. Ny maraina be omaly dia efa nisy fiara tsy mataho-dàlana naka azy mba hialàny faran’izay haingana tao amin’ilay tanàna. Mateti-pitranga ny soloky eo amin’ny fikarakaràna fampisehoana ankehitriny. Toy  izay vao nitranga vao iray volana tany Anjozorobe. Nilaza ho mpikarakara lanonana ary mpiandraikitra ny tarika Ninas ny lehilahy iray. Nahazo fifanarahana izy vokatr’izany fitaka izany ary efa nahazo ampaham-bola tokoa tamin’ny mpikarakara. Ny andron’ilay fampisehoana anefa, tsy nisy na tamingan’artista iray aza tonga tao. Voatery noravana ny hetsika ary mazava hoazy fa niteraka hatezeran’ny olona izany. Na ilay artista aza rehefa nandeha ny fanadihadiana dia tsy nahafantatra ny fisian’ilay fampisehoana akory. Voasambotra ihany ilay lehilahy ary fantatra fa olona mahafantatra tsara ilay mpanakanto ihany  izy. Izany hoe mahafantatra ny paik’ady rehetra sy ny taratasy ilaina amin’ny fanaovana fifanarahana. Nampiasainy izany nony avy eo nanaovana fisolokiana. Efa kanto no lalaovina, mbola tratry ny mpisoloky ihany…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici