- Publicité SW45 -
lundi, octobre 7, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimanambola : Ramatoa maty nilatsaham-baratra

Ambohimanambola : Ramatoa maty nilatsaham-baratra

Vao oram-pahavaratra voalohany no nilatsaka teto an-drenivohitra dia efa namoizana ain’olona. Tetsy antampon’Ambohimanambola ny zoma teo, nandritry ny oram-be no nisy varatra mafy izay nilatsaka. Tamin’io fotoana io koa no nisy renim-pianakaviana iray, 39 taona, izay nivoaka teo an-tokontaniny ary nilatsaham-potaka. Maty tsy tsa-drano io farany ary ny tsikaritra dia nisy triatra roa teo amin’ny vavany. Raha araka ny fanampim-panazavana azo dia taitra izy raha nahita ny tselatra teny amin’ny rahona. Niezaka namonjy ny zanany izay mbola tany an-tokontany kinanjo nianjera tany aminy ny varatra. Niezaka ny olona ny nitondra azy teny amin’ny toeram-pitsabona akaiky indrindra mba ho fialana nenina, teny amin’ny CSB2, saingy efa tsy nisy aina intsony izy tonga tany. Ny tena nampalahelo ny maro dia tokony nisy lanonana mariazy izay hatao teo amin’ilay tokontany ny ampitson’iny zoma iny. Efa vita avokoa ny fandaminana ary efa voapetraka ny tafo sy latabatra handraisana izany. Kinanjo nivadika ho fahoriana tampoka ny nitranga. Teo dia nisy ny fanapahan-kevitra ny nanova ny toerana hanaovana ny mariazy. Ny lanonana kosa, noho ny fahoriana nisy, dia natao faran’izay tsotra. Nalevina ny alatsinainy teo ny razana. Tetsy Ambohimanambola tanàna indray dia fantatra fa nisy kojakojan’ny Jirama izay mpitondra herinaratra mahery vaika (transformateur) izay may tamin’ilay varatra nilatsaka. Sady nahafaty olona izany no nanimba fitaovana ilay filatsaham-potaka. Vao nisy iny tranga iny dia tsikaritra ho lasa manahy mafy ny olona raha vao misy oram-baratra eny an-toerana. Heno amin’ny resaky ny mponina izany fanahiana izany.

D.R

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici