- Publicité -
AccueilFaits-DiversRamose Botovasoa Olontsambatra : Handray vahiny 40 000 mahery i Vohipeno amin’ny...

Ramose Botovasoa Olontsambatra : Handray vahiny 40 000 mahery i Vohipeno amin’ny fanandratana azy

Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny fandraisana ny lanonana fanadratana an-dRamose Lucien Botovasoa ho Olontsambatra ankehitriny ny fiangonana katolika ao amin’ny Diosezin’i Farafangana. Lanona izay hotanterahina ao Vohipeno ny 15 aprily ho avy izao, araka ny nambaran’ireo komity mikarakara izany tamin’ny mpanao gazety ny sabotsy lasa teo. Tao Vohipeno no notapahan-doha sy navalana an-drano i Lucien Botovasoa rehefa tsy nanaiky hivadika tamin’ny finoany ka nanda ny tsy hiditra amin’ny politika, tamin’ny 17 aprily 1947. Nambaran’i Mopera Bihy Michel, mpitantsoratry ny fikambanana “Association Ecar Lucien Botovasoa”, fa mahatratra 40 000 mahery ny vahiny andrasana hanatrika izany ao Vohipeno. Izany dia ahitana ireo fikambanam-pivavahana isan-tsokajiny ao anatin’ny Fiangonana katolika sy ireo manam-pahefana ara-panjakana izay nasaina manokana hanatrika sy hanome voninahitra ity lanonana masina izay hanamarika ny tantaran’ny Firenena malagasy sy ny diosezin’i Farafangana, izay vao nahazo ny Eveka vaovao hitantana azy ity. Ny 12 aprily izao tokoa no hametrahana ity Eveka ity eo amin’ny Fiketrahany ao amin’ny katedralin’ny fiangonana katolika ao amin’ity renivohitry ny faritra Atsinanana ity.

Miantso ireo malala-tanàna. Efa tapitra voafandrika avokoa ireo trano fandraisam-bahiny ao amin’ireo distrika telo (Manakara, Vohipeno, Farafangana) tsy maintsy handraisana ireo vahiny, hoy ny komity mpikarakara. Toraka izany ihany koa ireo sekoly katolika sy ireo trano miankina amin’ny fiangonana any an-toerana. Mbola tsy ampy anefa izany ka  an-dalana amin’ny fangatahana fiaraha-miasa amin’ireo sekolim-panjakana any an-toerana ny komity mpikarakara. Fifampiraharahana izay heverin’ity farany fa tsy hisy olana, satria olon’ny fihavanana ity Maritirin’ny Finoana sy ny Fahamarinana izay hasandratra ho Olontsambatra ity. Porofon’izany, hoy Mopera Bihy Michel, ny fiaraha-mientana eo amin’ny mponina rehetra tsy ankanavaka finoana na fihaviana ao Vohipeno amin’ny fikarakarana izao lanonan-dehibe izao. Hita izany raha tsy hilaza afa-tsy ny fandraisana anjara avy amin’ireo Mpino Silamo sy ireo Mpanaja ny nentin-drazana ka efa nanolotra ireo Tranobe misy any an-toerana mba handraisana vahiny ihany koa. Na eo aza izany rehetra izany, nanamarika ny komity fa noho ny halehiben’ny raharaha tsy maintsy hatrehina dia mbola tsy ampy ny hoenti-manana amin’ny fikarakarana. Koa miantso ireo malala-tanana sy ireo olona tsara sitrapo ny filohan’ny vaomieran’ny vola eo anivon’ny komity, Ramanankavana Christian, mba hanampy amin’izany. Tsy voatery ho vola izany fa raisina am-pitiavana na fitaovana na sakafo toy ny vary. Koa raha misy liana amin’izany dia azo atao ny miantso ny tomponandraikitra amin’ireto laharana sy adiresy manaraka ireto : Mopera Bihy Michel ( tel. 034 02 869 83 na e.mail coordobotovasoa@gmail.com) ; Ramanankavana Christian (034 94 449 56).

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
355,680FansAimer
2,515AbonnésSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici