Toy ny fanao isan-taona dia ho tanterahana ny alahady 12 jona izao ny fanaovana ny voka-dehibe, izay ataon’ireo mpino eny amin’ny Fjkm Rangaina Fihobiana. Fotoana iray io ahafahan’ireo mpino sy ny zanaka am-pielezana mielim-patrana eran’ny faritra, mitondra ny anjara biriky ho fanatsaràna ny fampandehan-draharaha eny an-toerana. Mbola maro mantsy ireo zavatra ho karakaraina, hoy ny tompon’andraikitra. Koa manainga ny rehetra araka izany, mba ho tonga eny an-toerana hanatrika ity voka-dehibe ity. Hisy ny fiara iraisana, miainga eo Andravoahangy (Soloprix teo aloha) amin’io alahady io, amin’ny valo ora maraina. Eny an-toerana kosa dia hisy ny fanompoam-pivavahana, mialohan’ny fotoan-dehibe, amin’ny sivy ora sy sasany. Ho fitsinjovana ny rehetra, raha ny fanazavàn’ny tompon’andraikitra hatrany dia misy sakafo maivana sy sahaza amidy eny an-toerana.
m.L