Tsy misy tahotra intsony fa dia miriaria sy mihaodihaody eny an-tsenan’i Ranohira ireo dahalo, izay mivonona ny hanao fanafihana. Soa ihany fa tonga teny am-pototsofin’ireo pôlisy mialoha ny vaovao, nahafahan’ireto farany nanara-maso sy nametraka ny vela-pandrika rehetra. Ny faran’ny herinandro teo tokoa mantsy dia jiolahy efatra no voasambotry ny pôlisy teo an-tsenan’i Ranohira. Araka ny fanazavana azo dia teo am-panomanana fanafihana mitam-piadiana ireto farany izao tra-tehaka izao, tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro, ny andron’ny sabotsy lasa teo. Tafalatsaka tao anatin’ny vela-pandriky ny pôlisy ireto ka tsy afa-nandositra intsony. Tratra teny aminy moa, raha ny fanazavana azo hatrany, ny basy vita gasy niaraka tamin’ny famaky miisa roa. Ankoatra izay dia nafenin’izy ireo tao ambany akanjony ny “firavaka” hafakely : moara sy ody gasy maro isan-karazany. Tamin’io fotoana io ihany dia nentina nihazo ny biraon’ny kaomisaria ireto olon-dratsy ireto. Notanana natao andrimaso tamin’ny famotorana azy ireo.
m.L