- Publicité -
mercredi, mai 21, 2025
AccueilFaits-DiversRanohira : Mpianaka niandry omby maty nilatsaham-baratra

Ranohira : Mpianaka niandry omby maty nilatsaham-baratra

Ratsy fiatomboka ary namono olona sahady ny firotsahan’ny orana tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Afak’omaly hariva, dia mpianaka no indray maty nilatsaham-baratra, tany Ranohira Sakaraha. Tamin’io andro io dia nijojo be sady nivatravatra fihavy ny orana narahina kotro-baratra mahery nirefodrefotra tsy nifandrenesana. Teo ampanangonana ireo omby nandrasany izay mbola niraoka ahitra izy mianaka nikasa handeha hody ireto no nisy varatra nipoaka mafy narahina tselatra ka niatefa tamin’izy ireo. Tsy nisy nilatsaham-potaka koa ireo omby. Tovolahy mpiarak’andro tsy lavitra teo, izay nialoka tamina trano rava iray nahita an’ireto mpianaka nilatsaham-potaka no nandeha haingana nampandre ny loza tany an-tanàna, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici