- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRanohira : Razana nisy nanapa-tenda

Ranohira : Razana nisy nanapa-tenda

Efa ao am-pasana mbola misy manapa-tenda ihany. Raha tsorina dia indroa maty izany ilay olona. Omaly, tany Ranohira no taitra ny fianakaviana izay mba hanamafy ny fasana ary nanokatra izany raha nahita ny korontana tao anatiny. Rehefa nozahana akaiky dia razana vao nalevina ny alahady teo no tsy teo intsony ny lohany. Izany hoe razana mbola lena ary tsy tokony misy hidiran’ny halatra taolam-paty izay matetika efa razana maina, ny raharaha. Inona indray ny ao ambadiky ny toy izao? Ny velona sahirana ny maty matahotra ny hisy hangalatra hatramin’ny taolana. Miady mafy hatrany ilay firenana…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici