- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversRanomafana : Olona an-jatony mitam-basy mitrandraka volamena anaty faritra arovana

Ranomafana : Olona an-jatony mitam-basy mitrandraka volamena anaty faritra arovana

Misy olona mitrandraka volamena anaty ny ala arovana ao Ranomafana, araka ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana. Raha eo amin’ny efatra alina hekitara eo ity faritra ity, dia ny 50 ha amin’izany no efa simba hatreto. An-jatony mahery eo ireo olona ireo, raha ny fanazavàna azo hatrany, ary mirongo basy. Saro-dalana sy sarotra hidirana, ny toerana misy ireto mpitrandraka tsy ara-dalàna ireto, izay any amin’ny 28 kilaometatra miala ny tanan’i Ranomafana. Izy ireo rahateo dia toa efa manana drafitra maty paika hiafenana ireo olon-kafa sendra tafiditra any an-toerana. Hany ka mampanano sarotra ireo mpitandro filaminana miditra any. Olona vitsy sisa, ary saika zaza amam-behivavy avokoa no hany sisa tazana. Eny an-tsefatsefan’izy ireo eny no ahitàna fitaovam-piadiana, hoy ny vaovao hatrany. Araka izany dia sahirana tokoa ireo mpitandro filaminana sy ny tompon’andraikitra any an-toerana manatratra ireo tena vatan-dehilahy mpitrandraka. Ary izay dia hitadiavan’izy ireo fiara-mientan’ny rehetra. Raha ny fantatra ihany koa dia efa fantatry ny sampan-draharaha manokana misahana ireny faritra arovana ireny ny fisian’ity fitrandrahana tsy ara-dalàna ity. Efa nisy hoy ny vaovao ny fanentanana sy ny fandroahana ireo olona ireo saingy ireo mbola miverina ireo foana. Ny mahagaga dia tsy fantatra hatreto mihitsy izay mpampiasa ireto olona ireto, kanefa dia misy mpamatsy ara-dalàna izy ireo. Ambonin’ny fanimbàna ala amin’ny fitrandrahana mantsy, dia misambotra ireny gidro ireny ihany koa ireo olona ireo ataon’izy ireo sakafo.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici