- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRanomafana RN2 : Telo lahy mpamaky kaontenera, saron’ny zandary

Ranomafana RN2 : Telo lahy mpamaky kaontenera, saron’ny zandary

Raha nangingina ny raharaha tora-bato nampitaraina ireo fiara tsotra sy taksibrosy mampiasa ny lalam-pirenena faharoa, indrindra ny teo anelanelan’i Brickaville sy Ranomafana, dia mirongatra indray ny famakiana kaontenera amin’ireo làlana ireo ihany, hany ka ny mpamily sy ny tompon’ny kamiao hatrany no miantoka ny fahaverezana rehetra mandritra izany. Tsy ny kamiao rehetra anefa no lasibatra mandritra izany, fa ireo kamiao mitondra entana 30 taonina sy ireo kamiao mpibaby kaontenera ihany. Ny làlana eo anelanelan’ny fokontany Maromaniry tsy lavitra ny tanànan’Antongombato sy ny làlana 202 araka ny fahalalan’ireo mpamily mpampiasa ny làlam-pirenena faha-2 azy, noho io lalana io misy fiakarana ka voatery mandeha mora ireo kamiao mpitondra entana avy eto Toamasina mihazo an’Antananarivo. Ny tena mahagaga, dia hain’ireto andian-jiolahy mpamaky kaontenera sy kamiao amin’ny lalam-pirenena faha-2 ireto ireo kamiao mpitondra ireo kojakoja sy ireo entana tena ilaina amin’ny fiainana andavanandro, noho izy ireo mora amidy, ka ireo mpitondra : vary, siramamy, lafarinina, simenitra…ary vy, no tena lasibatra amin’izany. Efa betsaka ny fitarainana voarain’ny zandary misahana ny lalam-pirenena faha-2 mikasika izany, nefa mailo hatrany ireo andian-jiolahy satria atsipin’izy ireo anaty ala fotsiny aloha ny entana dia taterin’izy ireo tsimoramora izany aorian’izany, ka sarotra ny fanaraha-maso azy ireo. Ny alin’ny sabotsy 25 aogositra lasa teo, dia fiara nitondra vary nandalo teo Maromaniry  no nisy namaky. Gonim-bary maromaro no very nandritra izany. Vao naharay ny fitorian’ilay mpamily kamiao ny zandary tao Ranomafana, dia nanao ny fanaraha-maso avy hatrany izy ireo ; izay notarihan’ny zandary Todimiarana Jean Chrysostome, ka tratra ambodiomby ny alahady 26 aogositra ihany teo am-pitaterana ireo vary halatra ny telo lahy tamin’ireo mpamaky kamiao. Mbola tratra niaraka tamin’izy ireo ny vary dimy gony nangalariny . Mbola karohana koa ireo naman’izy ireo roa lahy ankehitriny. Raha ny fanazavan’ny zandary ao Ranomafana, dia tsy marina ny filazana fa misy ireo mpamily kamiao miray tsikombakomba amin’ireo mpamaky kamiao, satria tratran’ny tsy fidiny hatrany izy ireo noho ny andro alina. Tovolahy 18 taona hatramin’ny 25 taona ihany koa ireto mpamaky kamiao ka afaka mitsambikimbikina tsara .

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici