- Publicité -
mardi, septembre 15, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRanon'Ikopa : Olona efatra notazomina taorian'ilay fahafatesana an-drano

Ranon’Ikopa : Olona efatra notazomina taorian’ilay fahafatesana an-drano

Tsy niandry ela ny zandarin’Ambohimalaza izay misahana ny zana-tobim-paritra Ambomimanambola dia nampandroso ny fanadihadiana. Izany dia mahakasika ny fahitàna ilay lehilahy maty an-drano ny sabotsy lasa teo. Raha araka ny fantatra dia mpamily mpanampy maromaro no niaraka nirevirevy tamin’iny fotoana iny, rehefa avy niasa. Teny an-dàlana dia natsipitsipin-dry zalahy tamin’ny arabe ny tavoahangy avy nisotroana ary vaky. Niteraka olana tamin’ny mpampiasa làlana izany ary raha ny re dia tonga hatramin’ny fifamaliana. Eo amin’izay no isan’ny iompanan’ny fanadihadiana ankehitriny. Niady tamin’olona ve ireo mpampily mpanampy avy nisotrosotro sa izy samy izy ihany no niady. Ny vokany aloha dia maty tao amin’ny reniranon’Ikopa ny iray tamin’izy ireo ary nangalàna mpamonjy voina izay vao tafiakatra an-tanety ny razana. Mbola nisy feo niely koa fa nitsoaka tao ilay lehilahy ary nilentika tao. Izany rehetra izany no hamarinin’ny mpanao fanadihadiana efa ho roa andro izay. Notazomina ireo olona izay ahiahiana fa nisy nifandraisany tamin’ity fahafatesana ity. Raha tsiahivina dia olona roa sahady izay no hita faty tao amin’ny reniranon’Ikopa izay mifanandrify amin’Ambohimanambola, tao anatin’ny andro vitsivitsy, tsy nisy herinandro akory. Mbola ao an-dohan’ny mpanara-baovao ny mahakasika ilay mpianatry ny oniversite izay hita faty tao rehefa avy nanatitra ny namany. Izao koa dia efa razana hafa indray no navoaka tao amin’io Ikopa akaiky an’Ambohimanambola io. Mitady ho lasa fanariana olona novonoina?

D.R

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici