- Publicité -
lundi, septembre 14, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRenim-pianakaviana novonoin’ny zanany lahy : Disadisam-panambadiana sy resaka lova no antony

Renim-pianakaviana novonoin’ny zanany lahy : Disadisam-panambadiana sy resaka lova no antony

Anisan’ny tranga iray nampiontana ny fon’ny rehetra mpanara-baovao tokoa ilay tranga tetsy Andavamamba, ny herinandro lasa teo. Renim-pianakaviana iray no novonoin’ny zanany naterany ary naleviny tao an-tranony ihany.

Nitondra fanazavana mahakasika iny raharaha iny ny teo anivon’ny sampana fikarohana heloka bevava eo anivon’ny zandary tetsy Fiadanana omaly. Tao anatin’izay no nilazan’ireo mpanao fanadihadiana fa izay resaka disadisam-panambadiana sy resaka lova izay no antony namonoan’ity zanany lahy ny reniny ity. Tamin’ny fomba feno habibiana tokoa satria dia tsindron’antsy maromaro no niantefa teny amin’izany kitapo nifonosana izany ary nahatapitra ny ainy. Nanakarama olona avy eo ny lehilahy handevina ity nahitàny masoandro tao amin’ny tranony ihany. Nalevina tsy nasiana lamba sy vata fa lavaka fotsiny teo amin’ny lalantsara ary norakofana « carreau » avy eo.

Raha ny voalazan’ireo mpanao famotorana mantsy dia mipetra-drery ity ramatoa ity. Io zanany lahy io no mpitsidika azy matetika sy hampitondrain’ireo iray tampo aminy izay zavatra ho an’ny renin’izy ireo. Nanomboka ny volana jona lasa teo anefa dia tsy re antso ilay renim-pianakaviana, ary nolazain’ity lehilahy ity fa tsy te hifandray amin’ny fianakaviany. Nandeha ny volana, rehefa hitan’ireo mpiray tampo fa hafahafa ny toe-draharaha dia nametraka fitoriana avy hatrany teny anivon’ny zandary izy ireo. Natao ny fanadihadiana lalina rehetra ary io nipoitra io ny marina. Omaly no voalaza fa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireto roalahy mpamono olona ireto. Ilay zanaka mpamono raiamandreny sy ilay olona nanampy azy. Heverina fa tsy hisalasalana ny nidoboan’izy ireo am-ponja avy hatrany.

m.L

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici