- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversRenivohitra : Faty roa hita teny Ambodin’Isotry sy Behoririka

Renivohitra : Faty roa hita teny Ambodin’Isotry sy Behoririka

Omaly alatsinainy, fatin’olona roa no hita teto amin’ny renivohitra. Ny iray tetsy Behoririka tsy lavitra ny toerana fihinanana sakafo maraina. Ilay faharoa teny Ambodin’Isotry. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa ilay teo Behoririka dia vao marina be no hita ny razana. Ankevitry ny efa tamin’ny alina io no teo. Hatramin’izao, tsy fantatra marina ny antony nahafaty an’io olona io. Efa ny amin’ny tranom-paty Ampefiloha ny razana. Ny faharoa indray dia voalaza fa olona tsy dia salama saina tsara, vehivavy, maty an-dalana. Efa any amin’ny tranom-paty koa ny razana. Araka ny efa voalaza etsy ambony, samy tsy fantatra ny nahafaty an’ireo olona ireo. Efa misy ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici