- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversRenivohitra : Misy andiana olona milaza ho mpitandro filaminana, misoloky sy manendaka

Renivohitra : Misy andiana olona milaza ho mpitandro filaminana, misoloky sy manendaka

Asa tokoa raha hoe akaiky ny fety dia manao izay azony atao avokoa ireo olon-dratsy, manao izay tratry ny heriny amin’ny ratsy ataony. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena dia fantatra izao fa misy andian’olona indray, mivezivezy eto an-drenivohitra, misandoka ho mpitandro filaminana. Misoloky ary tonga hatrany amin’ny fanendahana olona mihitsy izany. Misy fomba roa ataon’izy ireo, hoy hatrany ny loharanom-baovao dia « na manakana taxi izy ireo na misambotra olona amin’ny fomba tsy ara-dalàna, manararaotra ary manendaka nony avy eo ». Na ihany koa, miditra anaty taxi-be, ary misava ankitsirano ny entan’ireo mpandeha sy maka izay zavatra sarobidy ao anatin’izany. Tsara ho fantatry ny maro, hoy hatrany ity fampitam-baovao ity fa « ny mpitandro filaminana ara-dalàna rehetra dia tokony hanana « badge » eny ambozonany, misy ny mombamomba azy rehetra, ny sampana misy na koa ny kaomisaria hiasàny. Faharoa manaraka izay, hoy hatrany ny fampitam-baovao dia tsy manan-jo velively hisava na haka zavatra anaty pôketran’olona izy ireo ». Eo anatrehan’izany, dia miangavy fiaraha-miasa amin’ny tsirairay ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena raha sendra tranga toa izany, na olona mampiahiahy, mba hampilaza azy ireo avy hatrany amin’ireto laharan’ny kaomisaria ireto : Analakely: 034 05 998 28, Ambohijatovo: 034 05 517 28, Antaninandro: 034 05 517 29/034 05 998 32, Isotry: 034 05 517 30, Mahamasina: 034 05 998 36/034 07 517 16, Ambohimanarina: 034 05 517 12/034 05 998 38, 67Ha: 034 05 517 13/034 05 998 40, Analamahitsy: 034 05 517 14/ 034 05 998 42.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici