- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRenivohitra : Razana telo hita teny amoron-dalana

Renivohitra : Razana telo hita teny amoron-dalana

Teny Soanierana, Itaosy ary teny Ambodin’Isotry. Razana telo no nalain’ny sampandraharahan’ny kaominina misahana ny fahadiovana (BMH), omaly sy afak’omaly, teny amoron-dalana tamin’ireo toerana ireo. « Lehilahy avokoa izy ireo, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy ary voalaza fa tsy manan-kialofana, na irony mpatory an-dalana irony ». « Raha ity teo Soanierana dia tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany antoandro no nahazo fampandrenesana ny polisy. Natao avy hatrany ny fizahana ka lehilahy iray no hita faty tao anaty tatatra. Efa simba tanteraka ny razana ary ahiana ho efa nilona andro maromaro tao anaty rano vao nisy nahita. Tsy an’asa ilay namoy ny ainy ary tsy manan-kialofana ihany koa ». Teny Ambonisoa Bemasoandro kosa ny iray, teo akaikin’ny fiantsonan’ny taxibe teny an-toerana. « Voalaza fa efa tsy salama sy narefo izy ity ny omalin’iny saingy tsy nisy nandray azy na ny mpitsabo tao amin’ny hopitaly na ny mpitandro filaminana ». Ary ny iray hafa dia tetsy Ambodin’Isotry, akaikin’ny Aigle Noir. Tsy fantatra avokoa moa ireto olona hita faty ireto na iza na iza. Tany amin’izy ireo rahateo tsy nahitàna taratasy nahafahana namantarana azy. « Efa naterin’ny BMH any amin’ny tranom-paty hopitaly Hjra ireo razana ireo, saingy mbola tsy nisy havany naka azy ». Marihana, hoy hatrany fampitam-baovao azo, fa fahafatesana voajanahary avokoa ny nahazo ireo olona telo ireo fa tsy sanatria nisy namono na nisy nanendaka akory. Na izany na tsy izany anefa dia tsy maintsy nandray an-tanana ny raharaha ny pôlisy, nanokatra fanadihadiana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici