Tsy mifidy olona, tsy mifidy tarehy ny maha-jiolahy ary miandahy miambavy mihitsy ireo manao ny asa ratsiny. Ny faran’ny herinandro lasa teo, ravan’ny pôlisy ny tambajotran-jiolahy, nikasa handroba sy hanafika toeram-pivarotana maromaro teto an-drenivohitra. Fito mianadahy no tratra sambo-belona tamin’izany, naman’izy ireo kosa ireo roalahy maty voatifitra teny Talatamaty sy Avaratr’Antanimora ny herinandro lasa teo. Arifomba tokoa ireto tambajotra ireto raha ny fanazavàna azo amin’ireo pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly. Nandritra ny fisamborana azy ireo mantsy dia tratra teny aminy ny basy poleta enina. Efatra tamin’izany dia vita gasy. Misy fitaovam-piadiana fampiasan’ny mpitandro filaminana tamin’izy ireo, hoy hatrany ny fanazavàna, ary fitondran’izy ireo manfika ireto basy ireto. Mbola nahitana bala niisa 21 ihany koa tany amin’ireto olona voalaza fa olon-dratsy ireto. Isan’ny nampikaika ny toeram-pivarotana maro teny amin’iny faritra Imerinafoavona, Ambohibao sy ny faritra hafa izy ireto. Tamin’ity indray mitoraka ity dia nikasa hanafika tranombarotra maromaro izy ireo, saingy efa tsara fiomanana ny mpitandro filaminana. Teny Ambohimanarina sy ny manodidina iny no nokasain’izy ireo hatao voalohany tamin’izany, ka efa tonga teny ny pôlisy. Raikitra ny fifanenjahana ka niafara teny Talatamaty, izay nahavoatifitra an’i Vazaha. Tsy vitan’izay fa andro vitsivitsy taty aoriana, nifanenjika indray ihany koa ny mpitandro filaminana sy ny jiolahy teny amin’iny faritra Ampasanimalo sy Avaratr’Antanimora iny. Maty voatifitra tamin’izany ny roalahy, voalaza fa saika hikononkonona fanafihana tranombarotra lehibe teny an-toerana. Efa jiolahy rain-dahiny izy ireto, hoy ny vaovao. Fanendahana, vaky trano, sns… angadin’ireto tambajotra voasambotra ireto avokoa izany. Omaly ihany izy ireo natolotra ny Fampanoavana.
m.L