- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversResa-trosa : Novonoiny ho faty ny zaodahiny

Resa-trosa : Novonoiny ho faty ny zaodahiny

Io toaka io ! … Vono olona mahatsiravina no nitranga tao Amparaky, distrikan’i Soavinandriana ny alin’ny talata lasa teo, vokatry ny fisotroan-toaka. Mpizaodahy no nifamono teny an-dalana, ary niafara amin’ny fahafatesan’ny iray mihitsy izany, rangahy 56 taona, araka ny loharanom-baovao azo. Avy namonjy tsena teny Amparaky izy ireto. Mazava ho azy, tsena ny andro ka mba nifandom-bera kely ny mpihavana. Efa hariva tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany ho any, efa samy varimbarina no nandeha nody izy ireo. Ary teny an-dalana, raikitra ny resa-toaka, nahatsiaro tampoka ilay iray fa hoe mbola hananany trosa ny iray. Namaly ilay iray. Raikitra ny fifamaliana ary niafara tamin’ny fikasihan-tanana. Voalazan’ilay namono moa, tao anaty fiaken-keloka nataony fa ilay zokiny (ilay maty) no namely totohondry azy voalohany. Voa nandraingiringy ity farany ary vonon-kamaly tamin’ny fandraisana izay zavatra sendran’ny tanany teo. Naharay vy maranitra izy ka iny no avy hatrany dia nantefany teny amin’ilay mpifanandrina azy. Voa teo amin’ny fihirifany sy teo amin’ny tata-masony ingahy ka nitolefika tao anaty rà mandriaka. Nisava tampoka mihitsy ny toakany rehefa nahita izany ary nanao tari-dositra. Mbola afaka niantso vonjy ilay naratra ka nitangorona ny fokonolona. Tonga ihany koa ny zandary ary nitondra ity naratra ity haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana. Indrisy anefa fa 45 minitra taorian’izay dia tsy tana intsony ny ainy. Natao avy hatrany moa ny fikarohana ity zaodahin’ny maty ity, izay hitan’ny zandary tsy lavitry ny tranony. Niezaka niafina tao anaty kirihitra tsy lavitra teo izy, hoy ny fanazavana. Nentina natao famotorana avy hatrany moa ary niaiky ny heloka nataony. Androany no fantatra fa atolotra teny anivon’ny Fampanoavana ny raharaha.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici