- Publicité -
mercredi, avril 30, 2025
AccueilFaits-DiversAndasibe Vavatenina : Resaka mangahazo namonoana olona

Andasibe Vavatenina : Resaka mangahazo namonoana olona

Tena zava-doza no nitranga tao amin’ny distrikan’I Vavatenina, fa dia sahin’ity rangahy iray tao amin’ny fokontany Ambatoharanana Mandiamanga kaominina Andasibe distrikan’I Vavatenina, no namono nahafaty olona noho ny resaka mangahazo. Raha ny fanazavana dia lasibatra na halatra matetika ireo mangahazo eny am-potony ao amin’ity kaominina sy fokontany ity, ka isany niaran’izany ny an’ingahy Riri Emile mpamboly any an-toerana. Vokatra izay ny nandray fepetra ny anao lahy ka izy mihintsy no nanolontena niambina ny tanimboliny hiaran’ny halatra matetika. Ny 15 oktobra teo izy no nanomboka nifindra lasy teny an-tanimboliny, ka talata 17 oktobra nanomboka tsy hitan’ny fianakaviany intsony ingahy Riri Emile ka nokarohan’izy ireo. Tsikaritra nandritra izany fa mangahazo maro no nanjavona teny an-tanimboly niambenany, midika izany fa efa niambina aza izy dia mbola mitohy hatrany ny halatra mahazo ny mangahazony. Nanao fampilazana teny amin’ny manodidina ny fianakaviany sy nampahafantarina ny mpitandro ny filaminana sy ny fokontany rehetra manodidina ny fanjavony. Ny alahady 22 oktobra teo anefa dia nisy nahita ny fatiny tao Andefitra fokontany Ambatoharanana Madiamanga kaominina Andasibe. Raha ny fanazavana dia nozaraina roa ny fatin’ity Riri Emile ity, izany hoe tamin’ny fomba feno habibiana no namonoana azy. Mandeha ny fik      arohana izay nahavanon-doza amin’izao ataon’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana, k any zandary ao Vavatenina no misahana ny raharaha, izay nambaran’izy ireo fa tsy ho hita izay nahavanon-doza.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici