- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversLa Réunion : Haratsiana ny gasy, noho ny fanjavonan’ny vazaha iray

La Réunion : Haratsiana ny gasy, noho ny fanjavonan’ny vazaha iray

Mandeha amin’ny radio iray ao an-toerana, saika averimberina hatrany, ilay zava-nitranga izay tsy fantatra mazava akory  ny tena mety ho fahamarinany. Nisy lehilahy iray, vazaha, niala tao amin’io nosy io rehefa nifanerasera ka raiki-pitia tamin’ny vehivavy malagasy iray, avy amin’ny alàlan’ny tambajotra serasera facebook. Tapakevitra ary izy ny nangoron’entana ary nizotra nankaty Dago. Mbola nifampiantso tsy an-kijanona tamin’ny reniny izy tamin’ny fahatongavany ary tamin’izany no nampahafantarany, fa natakalony ho ariary avokoa ny vola euros tany aminy, araka ny soso-kevitr’ilay vehivavy. Taorian’izay indray, dia mbola nahavita nampita tamin’ny mamany izy fa ratsy be ilay hotely izay nivantanany. Dia izay no resak’izy mianaka farany, raha araka ny fampitam-baovan’ilay radio vahiny, izay isan’ny be mpihaino ao an-toerana, satria ifampizaran’ny tompon-tany vaovao mivantana an-telefaonina izany. Hatreto dia tsy fantatra mazava ny nanjo ilay vazaha na niharan’ny fisolokiana na koa hoe mety ho “low bat” fotsiny ny findainy, dia mety ho nitarika fitaintainana tamin’ny reniny. Hatramin’ny omaly io resahina io. Fa tamin’ny radio sy ny tambajotran-tserasera tao an-toerana kosa, dia fanaratsiana ny Malagasy avy hatrany no setrin’izany. Toy  ny hoe hadalany ny nisafidy ny handeha any amin’io firenena “sauvage” io, olona mpisoloky avokoa sady mahantra velona ny mponina ao sns… Fanaratsiana be fahatany ny firenen’olona no betsaka. Toy ireny anjely ireny angamba no fiheveran’ireo ny vahiny an’arivony maro izay mandany ny RMI sy ny pension eto an-toerana fotsiny, rehefa tsy an’asa na koa retirety any amin’izay niaviany…

D.R

 

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici